Alakamisy 6 Novambra 2025

Fa asany isika, voaforona tao amin’i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin’Andriamanitra rahateo, mba handehanantsika eo aminy. Efesiana 2:10

 

Tsy miasa irery Ilay Andriamanitra Tsitoha

Tsara vakina : Jaona 6:1-15

Mino ny maha Tsitoha an’Andriamanitra isika, ka mety hiandry fotsiny Azy hiasa, sady hitaraina hoe tsy misy na inona na inona mitranga ! Hadisoana tanteraka ny mihevitra fa raha te hanao zavatra eto an-tany Andriamanitra, dia hainy atao izany, ary hataony samirery ! Safidin’Andriamanitra ny manao zavatra betsaka eto amin’ity tontolo ity, amin’ny alalana lehilahy, vehivavy, ankizy mivonona.

Jaona mpitory Filazantsara dia mitantara ankizy iray nitondra mofo dimy sy hazandrano roa teo amin’i Jesosy, nefa olona 5000 no hofahanana. Izany zavatra kely izany dia nahavoky be ny vahoaka, ary mbola nisy ambiny nahafeno harona roambinifolo aza !

Jesosy dia olombelona. Andriamanitra ihany koa anefa Izy, izany hoe Tsitoha. Mahay manao fahagagana Izy, hampisy hanina avy amin’ny tsy misy. Nefa tsy nataony izany. Niandry Izy hitondrana eo aminy ireo sakafo vitsivitsy teo ampelatanan’ankizy iray. Dia nampitomboiny izany mba hamahanany ny olona rehetra. Niasa Jesosy mba hampiorina tsara ny finoan’ilay mpanome sy ireo olona nanatrika teo. Aza ataontsika tsinontsinona àry „ny mofo dimy sy hazandrano roantsika”, fa ndao entina eo amin’ny Tompo. Hampitomboiny ireo, ary hotahiny be dia be, mihoatra lavitra noho izay mety hoheverintsika !

Miandry ny fiaraha-miasantsika Andriamanitra, na dia kely sy bitika eo imasontsika aza izany, satria isika dia „voaforona tao amin’i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin’Andriamanitra rahateo”, mba hanatanterahantsika izany.