Alarobia 5 Novambra 2025
Ny mpitandrina dia tokony ho olona mahatoky. 1 Korintiana 4:2
Hoy ny tompony taminy : Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky ; nahatoky tamin’ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be ; midira amin’ny fifalian’ny tomponao. Matio 25:21
Laura dia tovovavy kristiana mafana fo amin’ny fanompoana ny Tompony. Mizara taratasy fampahafantarana ny Filazantsara izy, mitsidika vavy antitra iray mpiara-monina aminy, manao ny tsenan’io ramatoa io, ary manampy amina zavatra maro eo amin’ny manodidina azy. Izao hariva izao anefa dia ketraka izy : mbola maro aoka izany ny olona tsy voavonjy, maro ireo manirery tokony hotsidihina, ireo mampalahelo tokony hampiana… Mahakivy !
Noresahin’i Laura tamina misionera efa zokiolona, namangy ny ray aman-dreniny io hariva io, ireo eritreritra manjombona tao aminy. „Laura a, hoy ilay misionera taminy, ny zavatra hany manan-danja dia hoe mahatoky eo anatrehan’i Jesosy Tomponao. Izay ankininy aminao no ataovy tsara. Alaivo sary an-tsaina anie ny mpiasa iray asain’ny lehibeny manomana efitrano lehibe fivoriana, nefa manapa-kevitra handamina ny tahirin’antontan-taratasy, aloha. Angamba hisaotra azy ny olona sasany, nefa tsy nankatoaviny ny lehibeny, izay nanana antony nanomezany ilay baiko, satria misy fivoriana lehibe tokony hatao ; nefa tsy vonona ara-potoana ny efitrano !
Fony tetỳ an-tany Jesosy dia nanatanteraka mandrakariva izay nasain’ny Rainy natao, na tamin’ny teny na tamin’ny asa.
Angataho àry Jesosy mba hampahatakatra tsara anao izay andrasany aminao, ry Laura ! Miezaha mankatò Azy. Fantany koa anefa ny herinao sy ny fetranao, ary heveriny izany. Dia aza mieritreritra na oviana na oviana hoe tena ilainy ianao. Manana mpanompo hafa Izy, ankoatra anao. Mivavaha ho an’ireo olona tsy afaka anaovanao mihoatra, na inona na inona ; dia mandehana am-piadanana !”
Ny manao izay nasain’ny Tompo atao, tsy mihoatra ary tsy latsaka : izany no zava-dehibe !