Talata 4 Novambra 2025

Ny Soratra Masina (ny tenin’ny Baiboly) tsy azo foanana. Jaona 10:35

(Hoy Jesosy :) Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona. Lioka 21:33

 

Teny avy amin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra ve ny Baiboly ?

Ambaran’i Jesosy Kristy tsy am-pisalasalana fa ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly izany, dia tsy azo foanana, na ravana, na levonina. Manamafy izany Izy, manorina ny toriteniny amina teny tononiny avy ao amin’ny Testamenta Taloha (ny fizarana voalohany ao amin’ny Baiboly). Anisan’ireo teny tononiny ireo ny tantara na faminaniana efatra iadian-kevitra ankehitriny :

1. Ny tantara ao amin’ny Baiboly, mitantara ny fahariana izao tontolo izao. Mifototra amin’io tantara io Jesosy, niteny hoe : „Tsy mbola novakinareo va ny teny, fa Izay nahary azy tamin’ny voalohany dia nahary azy ho lahy sy vavy ?” (Matio 19:4).

2. Noa sy ny Safodrano. Hoy Jesosy : „… mandra-piavin’ny andro izay nidiran’i Noa tao amin’ny sambofiara, ary tsy fantany mandra-piavin’ny Safodrano, izay nandringana ny olona rehetra” (Matio 24:38-39).

3. Ny maha azo antoka ireo faminanian’i Daniela. Ireo dia tsy nosoratany tamin’ny fitodihany tany amin’ny lasa, toy ny ho nataona mpanoratra tantara, fa tena nosoratana mpaminany nasain’Andriamanitra nanoratra azy ireo. Jesosy dia nanondro an’i Daniela ho „mpaminany” (Matio 24:15). „Avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’ny olona, araka izay nitondran’ny Fanahy Masina azy” (2 Petera 1:21).

4. Ny tantaran’i Jona sy ilay hazandrano lehibe. Heverina ho angano io ; nefa Jesosy dia niresaka momba io, amin’ny maha tantara azo antoka azy : „Tahaka ny nitoeran’i Jona hateloan’andro sy hateloan’alina tao an-kibon’ny hazandrano lehibe…” (Matio 12:40), mba hanambarany ny hateloana manomboka eo amin’ny hahafatesany ka hatramin’ny hitsanganany velona indray.

Ireo lahatsoratra ao amin’ny Baiboly dia nomen’Andriamanitra Izy tenany mihitsy, ary mendrika hitokisana tanteraka. Hoy Jesosy : „Ny Teninao no fahamarinana”. „Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana” (2 Timoty 3:16).