Alatsinainy 3 Novambra 2025
Ny harenan’ny manankarena no vohiny mafy ; fa ny tsy fananan’ny ory no fandringanana azy. Ohabolana 10:15
Izay matoky ny harenany dia ho lavo ; fa ny marina ho tahaka ny ravina maitso. Ohabolana 11:28
Fahiny dia toerana azo antoka ny tanàna mimanda, ary ireo manankarena indrindra dia te honina any amin’izy ireny ; fa ny mahantra kosa tsy mba nanana enti-manana ho amin’izany. Matoa nonina an-tanàn-dehibe, dia satria ambony toerana ao amin’ny fiarahamonina. Nefa ny andinin-tSoratra Masina androany dia tsy milaza fotsiny hoe ny mpanankarena dia monina any amina tanàna mimanda, fa manambara mazava ihany koa hoe tahaka io tanàna io ny fananany. Toy ny milaza izany fa ny harenantsika dia mety hanjary ny maha isika antsika, ary vokatr’izany, ho sampintsika. Ao amin’ny tantaran’ilay mpanankarena sy Lazarosy (Lioka 16:19-31) dia tsy fantatra ny anaran’ilay mpanankarena ; nantsoina fotsiny hoe „ilay mpanankarena” izy, satria ny maha izy azy manontolo dia voafintina ho ny harenany, ny fari-piainany. Ambonin’izany, raha toa isika mampitovy ny maha izy azy ny olona iray amin’ny fananany, dia ho tandindomin-doza hihevitra ny mahantra ho tena ambany tokoa, miohatra amin’ny mpanankarena. Fiheverana mahamenatra koa, raha mahamenatra !
Raha mamaritra ny tenantsika amin’ny fananantsika isika ary tafasaraka tampoka amin’ny volantsika, dia tsy misy tavela intsony, na inona na inona, amin’ny maha isika antsika : izany hoe na isika miroborobo, dia mahomby ; na isika tsy misy intsony. Mifamadika amin’izany kosa : izay hendry, hanana harena mandrakariva, dia „fahatahorana an’i Jehovah” (Isaia 33:6). Ho an’ireo izay mino an’i Jesosy, dia Izy, Ilay Mpamonjy, no harenany sarobidy indrindra (1 Petera 2:6-7).
— Tompo ô, zavatra tsy toy inona akory dia mety hanaovako ny zo sy satako eo amin’ny fiarahamonina ho ny maha izaho ahy manokana. Ireo mari-pahaizako, volako any amin’ny banky, namako dia mety hanan-danja lehibe loatra ao am-poko. Ampio aho hametraka ny fitokisako aminao irery !
(amin’ny heriny ny tohiny)