Alahady 2 Novambra 2025
Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin’Andriamanitra. 1 Petera 3:18
Moa tsy mampaninona anareo va, ry mpandalo rehetra ? Jereo sy izahao raha mba misy fahoriana toy ny fahoriako. Fitomaniana 1:12
Nijaly mafy noho ny kilema lehibe nahazo azy i Etienne, nefa niady tam-panantenana sy finoana nanohitra ny fihombon’ny aretiny. Saingy nisy fianjerany nanafoana ny fanantenany manontolo : tsy maintsy nodidina izy, nametrahana tsima-taolan-tapaka, ka vao mainka nitombo ny kilemany… Alaivo an-tsaina ny fijaliany ara-batana sy ara-tsaina. Nefa dia hoy izy tamina namany vavy iray : „Tsy nahita tory aho satria nanaintaina loatra, no niteny tamiko Jesosy hoe : Mbola nijaly nihoatra noho ianao Aho, tamin’Izaho nohomboana teo amin’ny hazofijaliana, noho ny tsy fankatoavanao an’Andriamanitra”…
Tsy ny olona rehetra no afaka manana fihetsika toy izany, manoloana ny fijaliana. Andriamanitra no manome ho an’ny tsirairay ny hery ilainy. Nefa amin’ireny fotoana ireny isika dia afaka mahazo hery rehefa mieritreritra ny niaretan’i Jesosy Kristy, tamin’Izy nizaka ny famaizana sahaza ny tsy firaharahantsika an’Andriamanitra, mbamin’ny nandavantsika Azy, sy ny lalànany mihitsy aza. Na tsy miresaka firy momba ny fijalian’ny Tompo aza ny Baiboly, dia tsy afaka hamela antsika tsy hihetsi-po ny voasoratra ao. Nijaly Izy ara-batana, niaritra kapoka, volombava nororitina, hetaheta sy ny vinaingitra nomena mba hanala hetaheta Azy, fantsika nalentika tamin’ny nofony… Nijaly koa Izy ara-panahy, noho ny faharatsiana rehetra hitany, ny fanoherana sy fankahalan’ireo mpitarika ara-pivavahana Azy… Ambonin’izany rehetra izany dia nijaly Izy nafoin’Andriamanitra, satria nisolo toerana antsika, nanonitra ny fahotantsika teo anoloan’Ilay Andriamanitra masina… Nanao izany rehetra izany Izy noho ny fitiavany, ary nanana fifaliana hahita tsy ho ela olona maro voavonjy !
Nijaly mafy ho ahy Jesosy ! Toy inona re ny figagana sy fankasitrahana mendrika Azy !