Asabotsy 1 Novambra 2025

Amin’ny maraina dia afafazo ny voanao, ary amin’ny hariva dia aza atsahatra ny tànanao ; fa tsy fantatrao izay ho vanona, na ny teo aloha, na ny teo aoriana, na angamba samy ho vanona avokoa izy roa tonta. Mpitoriteny 11:6

Ho vonona ho amin’ny asa tsara rehetra. Titosy 3:1

 

Tanteraka ny asany

Indray andro izahay dia nanapa-kevitra tamin’ny fotoana farany hanasa ireo mpiara-monina vaovao aminay, izay malagasy. Raha ny marina, tsy dia fantatray loatra ny antony nanasanay azy ireo, nefa aza izahay vizana.

Teo am-pisakafoana dia fantatray fa maty tamin’io taona io ny renin’ilay vehivavy. Dia iny izahay nifampiresaka hoe fohy ny andro iainana, ary Andriamanitra no mihazona ny fiainantsika eo ampelatanany.

Nitohy ny takariva, ary nihevitra aho hoe hiara-mamaky ny takila ao amin’ny „Ilay Voa Tsara Nafafy” izahay. Tena faly ilay ramatoa nihiaka hoe : „Fantatro ity alimanaka ity, ’Ilay Voa Tsara Nafafy’ ! Mbola manana hafa ve ianareo ? Tena mba te hahazo iray aho !” Nohazavainy avy eo hoe nandritra ny taona maro dia nisy olona nanome io alimanaka io ho an’ny reniny, ary nomen’ny reniny alimanaka iray izy isan-taona. Saingy rehefa tsy teo intsony ny reniny, ary izy koa nifindra monina lavitra an’i Madagasikara, dia tsy nisy intsony nahafahany nahazo ilay alimanaka. Tsy nanafina ny hafaliany izy, nilaza hoe : „Tena eto amin’ny toerana tandrify mihitsy aho, izao hariva izao !”

Dia novakinay ny hafatra ao amin’ny Baiboly ho an’io andro io, izay nanomboka tamin’ny teny manaitra ny saina, hoe : „Tsy mahalala ny ho ampitso ianareo. Inona moa ny ainareo ? Fa zavona ihany ianareo, izay miseho vetivety, dia levona” (Jakoba 4:14).

Avy eo dia niteny taminay ilay ramatoa hoe : „Nefa ahoana moa no hananana Baiboly atỳ ? Nivezivezy eran’ny tanàna izahay, fa tsy nahita”. Nanana Baiboly vitsivitsy izahay tao an-trano, ka nandray iray izy, faly erỳ.

Eny, Andriamanitra dia manomana ny mpanompony ho amina asa tsara rehetra. „Tanteraka ny asany” (Deoteronomia 32:4).