Zoma 31 Oktobra 2025
Fa ny olona kosa maty… miala aina ny olona, ary aiza izy ? Joba 14:10
Ny vovoka dia hiverina amin’ny tany… fa ny fanahy kosa hiverina amin’Andriamanitra, Izay nanome iny. Mpitoriteny 12:7
Izay mino ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra… manana fiainana mandrakizay. 1 Jaona 5:13
„Ary tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana” (Hebreo 9:27). Tsy misy na iza na iza mandà io fanambaran’ny Baiboly io. Any amin’ny tanàna kely rehetra dia misy fasana, mampahatsiahy io toejavatra tsy azo ihodivirana io. Vao teraka ny olombelona dia manomboka ny fizorany ho amin’ny fahanterany sy fahafatesany.
Ary aorianan’izany ? Aleontsika angamba tsy mieritreritra an’io fanontaniana io. Nefa izany dia fihetsika tsy araka ny tokony ho izy, sady tena mampidi-doza : tsy misy amintsika hiakatra ao anaty fiarandalamby tsy fantatsika izay halehany. Raha manao izany dia mandà zavamisy manoloana fe-potoana tena manan-danja ! Ary indrindra, io fihetsika io ve tsy manafina tebiteby tsy tiana haseho ? tebiteby hazavain’ny faran’io andinin-tSoratra Masina etsy am-piandohana io, hoe : „maty indray mandeha… ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana”. Ny fitsarana, teny maneno mafy sady tsy azo ihodivirana ! Satria mantsy tsy tapitra tsy akory ny zavatra rehetra, rehefa mikatona ny fasana. Hiverina amin’ny tany ny vatana, „fa ny fanahy kosa hiverina amin’Andriamanitra, Izay nanome iny” (Mpitoriteny 12:7).
Mihelina ihany izao fiainana ankehitriny izao, miohatra amin’ny tantaran’ny fanahintsika, izay haharitra mandrakizay ; mihelina ihany nefa mavesatra ny vokany. Izao fiainana izao mantsy dia fitsapana, tsy hoe hahafantarana fotsiny izay nampiasantsika ny fahalalahantsika, ny fotoana, fahasalamana, fahaiza-manao, fahafaha-misaina. Fa ny tena zava-dehibe dia hoe ahoana ny niheverantsika an’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana. Tsy noraharahaintsika ve Izy ? na nataontsika tsinontsinona mihitsy aza ? Sa kosa noraisintsika araka ny maha Mpamonjy antsika Azy ? dia Ilay nisolo toerana antsika, nizaka ny fitsaran’Andriamanitra, mba hanafaka antsika mandrakizay. Ho avy ny andro tsy maintsy hamaliantsika ireo fanontaniana ireo.