Alakamisy 30 Oktobra 2025
Tamin’ny finoana [izy ireo dia]… nanakombona ny vavan’ny liona, namono ny fidedadedan’afo, afaka tamin’ny lelan-tsabatra. Hebreo 11:33-34
Ny sasany… novonoina tamin’ny sabatra. Hebreo 11:36-37
Amin’izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika, amin’ny alalan’Ilay tia antsika. Romana 8:37
Misy mpino narary mafy, sitrana noho ny valy-na vavaka natao tan-kafanam-po. Ho ana hafa kosa, na tsy latsa-danja amin’izany aza ny vavaka natao, dia nihombo ny aretina, ary maty izy. Nisy misionera narovan’Andriamanitra tamin’ny fomba mahagaga, dia afa-niala tamin’ny fahavalony ary nanohy ny fanompoany. Ny hafa kosa, novonoina tamina fomba mampihoron-koditra, tsy niditra an-tsehatra Andriamanitra, ka nifarana teo ny fanompoany.
Misy… ary ny hafa… ! Fa nahoana ? Nisy ve nanana finoana be kokoa noho ny hafa ?
Tsia ! Andriamanitra dia manana fikasana samy hafa ho an’ny tsirairay, fikasana mety tsy ho takatsika olombelona. Nefa tia antsika Andriamanitra, Izay hany hendry (Romana 16:27), ary „tsara ny nanaovany ny zavatra rehetra” (Marka 7:37).
Ny epistily ho an’ny Hebreo toko faha-11 dia mitantara ny fiainan’olom-pinoana maro. Hita ao io foto-kevitra tsy miova io : Nisy afaka tamin’ny lelan-tsabatra, fa ny hafa kosa novonoina tamin’ny sabatra (and 34, 37). Ny sasany, toa an’i Samsona, Davida na Daniela, dia nahazo fandresena tsy fahita, noho ny fanampian’Andriamanitra (Mpitsara 14:5-6 ; 1 Samoela 17:36 ; Daniela 6:24). Ny hafa kosa naseho ho fijerin’ny vahoaka teny amin’ny kianja ary noviravirain’ny liona, noho ny finoany. Ny sasany, toy ireo naman’i Daniela, dia nandresy ny herin’ny afo (Daniela 3:25), ny hafa kosa nodorana velona ka maty martioran’ny finoana.
Na teo aza ny anjara samy hafa notendren’Andriamanitra ho an’ireo mpino tamin’ny vanimpotoana samihafa ireo, dia inona kosa no niraisany ? Ny finoana ! finoana Ilay Andriamanitry ny fanantenana sy ireo fampanantenany hananganana ho velona indray (Hebreo 11:35). Ny tanjona sy fanantenan’izy ireo dia nitodika tany an-danitra, satria avy any no niandrasany ny Tompo Jesosy.