Alarobia 29 Oktobra 2025
Fa izao no sitrapon’ny Raiko, dia ny hahazoan’izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay ; ary Izaho hanangana azy, amin’ny andro farany. Jaona 6:40
Hoy Jesosy taminy : Izaho no fananganana ny maty sy fiainana ; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Jaona 11:25
Ao amin’ny Filazantsara, Jesosy dia nifanena tamina ankohonana telo nana-manjo.
— Ao amin’ny Marka 5, Jairo dia niantso an’i Jesosy hanasitrana ny zanany vavy roambinifolo taona, izay teo am-bavahoanan’ny fahafatesana. Teny an-dalana hankany an-trano izy ireo dia nilazana tampoka vaovao mahaketraka i Jairo, hoe : „Efa maty ny zanakao vavy ; nahoana ianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany ?”. Isika ve, rehefa mijaly, dia mety hanelingelina ny Tompo ? Ny teny voalohany nataon’i Jesosy tamin’ilay raim-pianakaviana tao anatin’ny fahoriany, dia hoe : „Aza matahotra, minoa fotsiny ihany.”
— Ao amin’ny Lioka 7, tao Naina dia nisy vehivavy mananotena handeha handevina ny zanany lahitokana. Nifanena tamin’i Jesosy sy ny vahoaka nanaraka Azy ny mpandevina. Feno fangorahana ny fon’i Jesosy, ary ny teniny voalohany tamin’ilay renim-pianakaviana dia hoe : „Aza mitomany.”
— Ao amin’ny Jaona 11, narary i Lazarosy, ilay tian’i Jesosy. Mbola tany amina toerana hafa Jesosy tamin’izay fotoana izay, ary rehefa tonga tany Betania „dia hitany fa efa nilevina hefarana izy”. Samy niteny taminy avy i Marta sy Maria, anabavin’i Lazarosy, hoe : „Tompoko, raha teto Ianao, dia tsy maty ny anadahiko”. Ao anatin’ny fahoriana dia mameno ny saintsika ny hoe „raha”, ary indraindray aza ny fisalasalana na ireo fanomezan-tsiny. Inona moa no voalohan-tenin’i Jesosy tamin’i Marta ? „Hitsangana ny anadahinao”. Nanontany an’i Maria Izy hoe : „Aiza moa no nandevenanareo azy ?” Fiahiana anie izany e !
Ao amin’ireo tantara telo ireo Jesosy dia niteny tamin’ilay raim-pianakaviana, tamin’ilay renim-pianakaviana ary tamin’ireo anabavy, alohan’ny hanatanterahany ny fananganana ho velona indray ireo maty. Dia toy izany koa, ao anatin’ny fahoriana manjo antsika, Jesosy dia mampionona antsika ary mampanantena antsika fa hanangana ho velona indray ireo rehetra mino Azy sy mino ny sorona nataony teo amin’ny hazofijaliana.