Talata 28 Oktobra 2025
Aoka tsy hisy eo aminao… mpanao fankatovana, na mpanandro, na mpanao sikidy, na mpanana ody… na mpanadina amin’ny manao azy ho tsindrian-javatra… na mpanontany amin’ny maty. Fa fahavetavetana eo imason’i Jehovah izay rehetra manao izany zavatra izany. Deoteronomia 18:10-12
Nisy lehilahy iray misotro ronono, nipetraka tao amina trano tany ambanivohitr’i Paris. Hajain’ny mpiara-monina aminy izy, fantatry ny olona hoe kristiana, ary tia miresaka an’Andriamaniny sy Jesosy Mpamonjiny. Indray andro, teo am-pandokoana ny fefin’ny zaridainany izy no nilazana mpiara-monina iray hoe :
— Halina izahay dia niaraka tamina namana maro tena mino ny fisiana hery tsy hita maso. Tsy nampino… nampihodinkodina ny latabatra izy ireo ! Imbetsaka izy ireo no nilaza taminay hoe mahafantatra mialoha izay zavatra hitranga amin’izy ireo. Eny e ! fantatro fa tsy mankasitraka ireny fanao ireny ianao ; ary raha ny marina, dia tahaka anao ihany aho : tsy mino an’ireny fanao ireny.
— Raha ny amiko, dia tena mino ireny mihitsy aho, fa tsy araka ny heverinao. Nefa inoako koa, satria ambaran’Andriamanitra ahy mazava ao amin’ny Baiboly, fa avy amin’ny devoly ireny fanao ireny, ka tena tsy maintsy andosirana. Izay manao ireny dia mifanerasera amin’ireo demonia.
Maro amin’izao fotoana izao ny olona miantehitra amin’ny filazana tonom-bintana, manontany mpahita, na „mpanadina fanahy” hafa. Izay rehetra endrika finoana ny fisiana hery tsy hita maso, majia, fanompoana fanahy hafa, sns. dia midika ho fitadiavana hifanerasera amin’ireo herin’i Satana sy fitoerana eo ambany fifehezan’ny maizina. Izany dia fisafidianana ny ataon’Andriamanitra hoe fahavetavetana : fahotana izany.
Mifanohitra amin’ny herin’ny maizina, manageja ny fisainan’ny olona, dia ndao hitodika amin’i Jesosy, Izay miteny amintsika hoe : „Izaho no fahazavan’izao tontolo izao” (Jaona 8:12). Manana hery Izy hampita avy any amin’ny maizina ho any amin’ny mazava ireo izay mitoky aminy.