Alatsinainy 27 Oktobra 2025
Moa misy olona mahafin-tena ao amin’ny fierena va ka tsy ho hitako ? hoy Jehovah ; tsy manerana ny lanitra sy ny tany va Aho ? hoy Jehovah. Jeremia 23:24
Hanome saina anao sy hampianatra anao izay làlan-kalehanao Aho ; hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho. Salamo 32:8
Misy tononkalo malaza iray mitondra ny lohateny hoe „Ny fieritreretana”, nosoratan’i Victor Hugo, izay naka hevitra tamin’ny tantara ao amin’ny Baiboly momba an’i Abela sy Kaina, ireo zanak’i Adama sy Eva voalohany. Alain’i Hugo sary an-tsaina ny fandosiran’i Kaina, feno tebiteby taorianan’ny namonoany ny rahalahiny. Niezaka izy handositra ny fanatrehan’Andriamanitra sy hanadino ny nataony. Nefa na inona na inona nataony, na nandeha lavitra toy inona aza izy, dia nanjohy azy hatrany ny fahatsapany ny maha meloka ny tenany, fahatsapana naka endriky ny mason’Andriamanitra mibanjina azy, manaraka tsy miala aminy. Rehefa avy nandramana natao ny zavatra rehetra, dia fasana no naorina, nasiana soratra hoe : „Tsy azon’Andriamanitra idirana” ; ary naniboka velona ny tenany tao anaty haizina i Kaina, nanantena ho afa-mandositra amin’izay io fanatrehana tsy tantiny io. Nefa andalana malaza no namarana ilay tononkalo, hoe : „Tao am-pasana ilay maso, ary nijery an’i Kaina”.
Olona maro no te handresy lahatra ny tenany hoe tsy misy Andriamanitra, te handositra tsotra izao ny fiheverana ny fisiany aza, satria rehefa manaiky io fiheverana io dia mahatsapa avy hatrany ny zavamisy tsy azo ihodivirana, hoe tsy maintsy hampamoahina izy ireo, indray andro any. Ilay Andriamanitra nahary ny zavatra rehetra, mahafantatra ny zavatra rehetra momba ny fiainako, tsy voafetran’ny fotoana, tsy voafetran’ny elanelana, ary tsy voafetra ao anatin’ny fahefany, dia mahatahotra indrindra : ara-drariny izany.
Io fijerin’Andriamanitra io, tsy miala amintsika, dia miova tanteraka rehefa mandray an’i Jesosy ho Mpamonjiko aho. Manomboka amin’izay fotoana izay dia tsy Mpiampanga sy Mpitsara intsony Andriamanitra, fa Ray feno fitiavana. Dia tsy mahatahotra ahy intsony io fijeriny io, fa manjary fijery maneho fitiavana aza, manoro hevitra, mampahery ; ary sambatra aho miaina tsy tapaka eo ambany mason’Andriamanitra.
Toy inona ny fijerin’Andriamanitra ny fiainako ?