Alahady 26 Oktobra 2025
(Hoy Jesosy :) Aza matahotra ; Izaho no Voalohany sy Farany, dia Ilay velona ; efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin’ny fahafatesana sy ny fiainan-tsy hita. Apokalypsy 1:17-18
— Ny fahafatesana ara-batana dia tsy nisy teo amin’ny olona, talohan’ny nidiran’ny ota : „Ary Jehovah Andriamanitra nandidy an-dralehilahy… hoe :… amin’ny andro izay ihinananao [ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy] dia ho faty tokoa ianao” (Genesisy 2:16, 17). „Ny fahadisoan’ny olona anankiray no nanjakan’ny fahafatesana noho ny nataon’ny anankiray” (Romana 5:17).
— Ny fahafatesana dia vokatry ny ota : „Fa fahafatesana no tambin’ny ota ; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra, ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika” (Romana 6:23).
— Ny fahafatesana dia mifamatotra amin’ny fitsarana : „Tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana” (Hebreo 9:27).
— Ny fahafatesana dia mihatra amin’ny olona maneran-tany : „Tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra” (Romana 5:12).
— Ny olona dia voagejan’ny tahotra ny fahafatesana ; manafaka azy ireo amin’izany Jesosy, ary manome fiainana mandrakizay azy ireo : tamin’ny nahafatesany, Jesosy dia nandringana „ilay manana ny herin’ny fahafatesana, dia ny devoly”, ary nanafaka „izay rehetra nandany ny fiainany rehetra tamin’ny fahandevozana, noho ny tahotra ny fahafatesana” (Hebreo 2:14, 15).
— Nandresy ny fahafatesana Jesosy : „Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika… nahafoana ny herin’ny fahafatesana, ka ny filazantsara no nampisehoany mazava ny fiainana” (2 Timoty 1:10).
— Tsy hisy intsony ny fahafatesana, any an-danitra : „Ary hofafany (hofafan’Andriamanitra) ny ranomaso rehetra amin’ny masony ; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana ; fa efa lasa ny zavatra taloha” (Apokalypsy 21:4).
Hoy Jesosy : „Izaho no fananganana ny maty sy fiainana ; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray” (Jaona 11:25).