Asabotsy 25 Oktobra 2025

Fa fahafatesana no tambin’ny ota ; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra, ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika. Romana 6:23

(Hoy Jesosy :) Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina ; fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy. Jaona 5:24

 

Lavenona nafafy teny amin’ny ranomasina

Ny 19 febroary 1997 dia maty i Deng Xiaoping, 92 taona. Nitondra tamim-pahefana an’i Chine nandritra ny roapolo taona izy. Vahoaka marobe no nanatrika ny fandorana ny fatiny. Dia nafafy teny amin’ny ranomasina ny lavenony. Inona moa no anton’ny nanaovana izany ? Nihevitra ve izy fa tapitra ny zavatra rehetra aorianan’ny fahafatesana ? Te handresy lahatra ny tenany ve izy, tamin’ireo toromarika nomeny ireo, fa izany tokoa no izy ?

Toy ny olona maro, na mpitondra nahay nitarika na olom-pirenena tsotra teto amin’izao tontolo izao, dia lasany niaraka taminy ny faharesen-dahatra miafina nananany.

Ireo faharesen-dahatra ireo anefa tsy hanova, na teny iray aza, amin’izay lazain’ny Baiboly antsika momba ny zava-nitranga iray any ankoatra, araka ny fahitana nomena ny apostoly Jaona hoe : „Ary hitako fa, indro, nisy sezafiandrianana fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny (Andriamanitra)… Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan’ny sezafiandrianana ; ary novelarina ny boky ; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin’ny fiainana izany ; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin’ny boky, araka ny asany… Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin’ny bokin’ny fiainana, dia natsipy tany amin’ny farihy afo izy” (Apokalypsy 20:11, 12, 15).

Inona indray no hanampy ireo teny manetriketrika ireo ? Tsotra fotsiny ihany, fitaomana hatrany mba ho vonona, izany hoe mba hahazo antoka fa voasoratra anarana ao amin’ny „bokin’ny fiainana”. Ao anatin’io rejisitr’Andriamanitra io dia tsy ahitana afa-tsy ny anaran’ireo izay nandray ny „fanomezam-pahasoavana” avy amin’Andriamanitra, nandritra ny andro niainan’izy ireo, noho ny finoana an’i Jesosy Kristy. „Izay mino ny Zanaka, manana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:36).