Zoma 24 Oktobra 2025

Fa efa miseho ny fahasoavan’Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra, mampianatra antsika handà izay toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filan’izao tontolo izao, ary ho velona amin’ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, amin’izao fiainana ankehitriny izao. Titosy 2:11-12

 

Ny fitiavana, ny Lalàna ary ny fahasoavana (2)

Hitantsika omaly hoe ahoana ny nahitan’Andriamanitra fomba hamonjena antsika mba tsy hamesarany amintsika ny fitakian’ny Lalànany masina, izay tsy afaka manao afa-tsy ny manameloka antsika. Nirahin’Andriamanitra i Jesosy Zanany, Izay maty teo amin’ny hazofijaliana nisolo toerana antsika, nizaka ny fanamelohana sahaza antsika, noho ny tsy nankatoavantsika ny Lalànany lavorary. Manomboka eo Andriamanitra, noho ny fahasoavany, dia manolotra famonjena ho an’izay mino. Tsy mitaky intsony Andriamanitra, fa manolotra maimaimpoana, an-kalalahana, ary be dia be !

Manomboka eo dia miova ny zavatra rehetra, ho an’ireo izay mino. Noho ny finoana tokoa mantsy dia manjary zanak’Andriamanitra izy ireo (Jaona 1:12). Mandray ny toetra maha Andriamanitra an’Andriamanitra izy ireo, ary mandray aina vaovao koa. Narotsaky ny Fanahy Masina ao anatin’ny fon’izy ireo ny fitiavan’Andriamanitra (Romana 5:5). Ny Lalàna dia nanery azy ireo ho tia an’Andriamanitra, fa ankehitriny kosa, satria izy ireo navela heloha sy feno fankasitrahana Ilay namonjy azy ireo, dia mahay maka tahaka io fitiavan’Andriamanitra io. Nanoratra ny apostoly Jaona hoe : „Isika tia, satria Izy efa tia antsika taloha” (1 Jaona 4:19).

Samy hafa tanteraka ny Lalàna sy ny fahasoavana ! Izay tsy hain’ny Lalàna nananana na oviana na oviana, dia novokarin’ny fahasoavana tamin’ny alalan’io aina vaovao io. Ny Lalàna dia nandrara, nandidy, ary nametraka fitsipi-pitondrantena sarotsarotiny.

Ny fahasoavana kosa dia mampahafantatra antsika ny fitiavan’Andriamanitra sy mampianatra antsika ny fomba hankasitrahan’Andriamanitra antsika. Ny fahasoavana dia mahatonga antsika ho afaka manohitra ireo fitsiriritana, mba „ho velona [isanandro] amin’ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an’Andriamanitra” (andinin-tSoratra Masina androany).

(tapitra)