Alakamisy 23 Oktobra 2025

Ary hoy Izy taminy : Inona no voasoratra ao amin’ny lalàna ? Manao ahoana no famakinao azy ? Ary izy namaly ka nanao hoe : „Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny herinao rehetra ary ny sainao rehetra” ; ary „Tiava ny namanao tahaka ny tenanao”. Lioka 10:26-27

 

Ny fitiavana, ny Lalàna ary ny fahasoavana (1)

Nisy manampahaizana iray momba ny lalànan’i Mosesy nametraka fanontaniana fototra tamin’i Jesosy, hoe : Inona no tokony hataoko mba hahazoako ny fiainana mandrakizay ? Nipetraka teo amin’ny sehatra nisy io olona io Jesosy, dia ny sehatry ny Lalàna, niteny hoe raha tia an’Andriamanitra sy ny namany izy dia ho velona.

Lavorary ny Lalàna nomen’Andriamanitra ny vahoaka Israely (Romana 7:12). Tsy nanome hery itiavana an’Andriamanitra na ny namana anefa io lalàna io, ary tsy nanao afa-tsy ny nampiharihary ny toetra ratsintsika ara-pitondrantena. Ny fizahana ara-pahasalamana dia mampiseho ny fisiana aretina ; toy izany koa, ny Lalàna dia mampiseho ny toetra maha olona mpanota antsika. Niharihary fa tsy hain’ny zanak’olombelona ny mitia an’Andriamanitra. Nefa Andriamanitra dia tokony hotiavin’ireo zavaboariny.

Izy kosa nitia antsika, ary tonga olona tao amin’i Jesosy Zanany nirahiny, Izay nohomboantsika teo amin’ny hazofijaliana. Tsy nanitsy ny haratsin’ny fon’ny olombelona ny Lalàna. Nankahalaintsika io Andriamanitra tokony hotiavintsika io (Jaona 15:23-25). Nilaina ny asa teo amin’ny hazofijaliana, satria isika tsy afaka mahazo ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ny ezaka manokana ataontsika. Io asa io dia mampiharihary ny fitiavan’Andriamanitra ny olombelona rehetra. Teo amin’ny hazofijaliana Jesosy dia nitondra ny famaizana sahaza ireo fahotantsika, mba hanomezany antsika ny fahasoavan’Andriamanitra. Teo dia niantonta tamin’i Kristy ny fitakian’ny Lalàna masina, ary izany no ananantsika anjara amin’ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra. Tia Izy, ary mamonjy maimaimpoana ireo rehetra mino ny Tompo Jesosy sy mibebaka.

Ny Lalàna dia mitaky, tsy manome hery anatanterahana, ary manameloka. Ny fahasoavana kosa dia manambara fa tia antsika Andriamanitra, amin’ny maha isika antsika ! Ary noporofoiny izany, tamin’ny sorona nataon’i Jesosy mba hamonjeny izay mino.

(hitohy)