Alarobia 22 Oktobra 2025

Tsy eranambatry va no vidin’ny tsintsina dimy ? nefa tsy misy hadinoina eo anatrehan’Andriamanitra ireny, na dia iray akory aza. Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Aza matahotra ; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo. Lioka 12:6-7

 

Sombin-taratasy — Guy de Brès (1522-1567)

Guy de Brès, mpanitsy fivavahana belza, nogadraina noho ny finoany an’i Jesosy Kristy, dia nanoratra ho an’ny vadiny hoe :

„Tsy kisendrasendra no nahatonga ahy teo am-pelatanan’ireo fahavaloko, fa lahatry ny Andriamanitro, Izay mitantana sy mifehy ny zavatra rehetra, na ny kely na ny lehibe, araka ny lazain’ny Kristy antsika… Koa ahoana moa no hahafahan’ny ratsy sy ny zava-manohitra hahatratra ahy ? raha tsy Andriamanitra no nandidy izany, araka ny fitantanany…

Tena marina fa miady amin’izany foto-pampianarana izany ny sain’olombelona, ary manohitra izany araka izay tratrany. Izaho tenako dia niaina mafy dia mafy izany. Rehefa nosamborina aho, dia nanao anakampo hoe : „Tsy nety ny niarahanay dia marobe toy iny. Hitan-dranona sy ranona izahay…” Nijanona teo aho, novesaran’ny eritreritro, mandra-panandratro ny fanahiko ho any an-danitra ka nisaintsainako ny lahatr’Andriamanitra. Dia nahatsapa fitsaharana mahatalanjona ny foko. Hoy aho : „Andriamanitro ô, nataonao teraka tamin’ny fotoana sy ora notendrenao aho. Nandritra ny fiainako manontolo Ianao dia niaro sy nitahiry ahy teo anivona loza lehibe maro, ary nanafaka ahy tamin’ny tsirairay amin’ireo. Raha izao no fotoana voatendry hialako amin’izao fiainana izao mba ho any aminao, dia hatao anie ny sitraponao tsara…”

Ireo fisaintsainana rehetra ireo dia nameno ary mbola mameno hafaliana tena lehibe ny foko sy mitahiry azy ao amin’ny fitsaharana… Tsy etỳ mantsy ny toerana fonenantsika, fa any an-danitra. Izany no antony aniriantsika ilay tena tanintsika, dia ny lanitra, ao an-tranon’ny Raintsika, Izay any an-danitra, mba hahita an’i Jesosy Kristy, Ilay Tompo sy Mpamonjintsika.”