Talata 21 Oktobra 2025
Fa samy hiseho eo anoloan’ny fitsaran’Andriamanitra isika rehetra… Koa samy hampamoahin’Andriamanitra ny amin’ny tenany avy isika rehetra. Romana 14:10, 12
(Hoy Jesosy :) Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay, ka tsy hohelohina ; fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy. Jaona 5:24
Fahadisoana maro no tsy mandalo ny fitsaran’olombelona, ohatra : ny avonavona, ny fitiavantena, ny fahihirana, ary endrika fahalotoam-pitondrantena samihafa. Misy zavatra hafa atao koa, toy ny mandainga, manendrikendrika, mampirafy, mangalatra ara-ketra, izay fanao andavanandro ary tsy miteraka fahafaham-baraka, rehefa tsy idiran’ny fitsarana.
„Tandremo, mahita anao Andriamanitra.” Ny mpitantana toeram-pivarotana lehibe amerikana iray dia nametraka io petadrindrina io ary nahita fa nihena be ireo halatra. Afaka miala amin’ny lalànan’olombelona isika, fa tsy amin’ny fitsaran’Andriamanitra, tsy amin’ny masony mamaky ny lalina indrindra ao am-pontsika. „Tsy misy zavatra ary, na inona na inona, izay tsy miseho eo anatrehany ; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason’Izay iafaran’ny ataontsika” (Hebreo 4:13). Eny, Andriamanitra dia mahafantatra izay rehetra fahadisoantsika, ary manampy ireny amin’ny trosantsika. Ahoana no hanefana io trosa io, hialana amin’ny fe-potoana handoavana izany ? Tsy misy vahaolana, afa-tsy avy amin’Andriamanitra ihany, dia Jesosy Kristy, Izay maty nisolo toerana antsika teo amin’ny hazofijaliana. Koa izay mino Azy dia afaka mandre ilay fanambarana mahafaly hoe : „Sambatra izay olona tsy isain’i Jehovah heloka” (Romana 4:8). Eny, hararaoty io fanafoanana trosa atolotr’Ilay Andriamanitra fitiavana io !
Ary isika kristiana, ndao hiaina amin’ny fieritreretana hoe hitan’Andriamanitra izay rehetra ataontsika, heverintsika, antony mandrisika antsika. Marina fa tsy hohelohina isika (Jaona 5:24), nefa izay rehetra ataontsika tsy ankasitrahin’i Kristy dia ho fatiantoka (1 Korintiana 3:15) ; ary izay rehetra iainantsika miaraka aminy dia ho an’ny voninahiny !