Alatsinainy 20 Oktobra 2025

Hankasitrahina ny fahatsiarovana ny marina ; fa ho lo ny anaran’ny ratsy fanahy. Ohabolana 10:7

Hotsarovana mandrakizay ny marina. Salamo 112:6

 

Ny dindon’ny fiainantsika

Nisy mpanakanto iray nanoratra vao haingana hoe : „Inona moa no atao hoe mamorona ? raha tsy manandrana mametraka dindon’ny fandalovan’ny tena eto an-tany.”

Io teny io ve tsy maneho faniriana lalina ao anatin’ny olona ? Vao nanomboka nisy ny zanak’olombelona, dia efa ny anaran’i Enoka zanany lahy no nataon’i Kaina anaran’ilay vohitra naoriny (Genesisy 4:17). Ary taorianan’izany dia renivohitra maro no mitondra ny anaran’ilay nanorina azy. „Araka ny heviny, dia ataony fa ho mandrakizay ny tranony, ary ny fonenany hahatratra ny taranaka faramandimby ; araka ny anarany no anononany ny taniny” (Salamo 49:11). Andriamanitra dia mahalala ny antony lalina mandrisika antsika ao am-pontsika ao, ary Izy no hanombana ny antony manosika antsika ho te hametraka mariky ny diantsika eto amin’ity tontolo andalovantsika ity.

Ny Baiboly dia manome antsika ny anarana lehilahy sy vehivavy iantsoana antsika haka tahaka ny finoany. Momba an’i Maria avy any Betania, ohatra, dia hoy Jesosy : „Ary lazaiko aminareo marina tokoa : Na aiza na aiza amin’izao tontolo izao no hitoriana ny filazantsara, dia holazaina koa izao nataon-dravehivavy izao, mba ho fahatsiarovana azy” (Marka 14:9). Nitondra menaka manitra lafo vidy izy, mba hanomezany voninahitra an’i Jesosy. Ny sasany dia nihevitra an’izany ho fandanilaniam-poana. Fa hoy kosa Jesosy : „Asa soa no nataony tamiko” (Marka 14:6). Nanao izany i Maria, noho ny fitiavany an’i Jesosy Ilay Mpamonjiny sy Tompony.

Izay natao ho an’Andriamanitra sy ho an’i Kristy ihany no hitoetra mandrakizay ; ny sisa rehetra dia ho levona tsy hamela dindo.