Alahady 19 Oktobra 2025
Fidionareo anio ary izay hotompoinareo… fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an’i Jehovah izahay. Josoa 24:15
Mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao sy ny taranakao. Deoteronomia 30:19
Ity, tantara nitranga efa elabe tany amina tanàna kely iray any Chine. Nanompo ny andriamanitra Kwanti ny taranaka maro nifandimbin’ny fianakaviana Li. Nahataona an’i Li ho amin’ny finoana kristiana ny toriteny nataona misionera iray : nanapa-kevitra izy hanompo an’Ilay hany Andriamanitra, ary namotika ny zavatra rehetra nananany nifamatotra tamin’ny fanompoana sampy teo aminy. Noresahiny an’i Hsi mpiara-monina taminy, nahita maso ny fiovana, ny finoany vaovao. Saingy natahotra i Hsi : nahare izy fa raha manjary kristiana, dia hisy zava-mahatsiravina hanjo azy. Nanomboka nihataka tamin’i Li izy, ary nanohy nitsaoka ireo andriamaniny sy ny razany, mba harovan’ireo. Tatỳ aoriana kely dia nisy fahafatesana nihatra tamin’ny fianakaviana roa tonta. Nefa hasamihafana toy inona moa ny tao amin’ireo trano roa ! Tao amin’ny iray, toloko, alahelo mafy ; tao amin’ny faharoa kosa, fiadanana sy fatokiana Ilay Andriamanitra fitiavana mikarakara ny zanany. Dia takatr’i Hsi fa mba hahazoana ny fiainana mandrakizay, ny fiadanana sy ny fifaliana hitany tao amin’i Li sy ny ankohonany, dia tokony hanatona an’i Jesosy. Tsy nandry anefa ny fieritreretany, satria ny famboarana zavatra ho an’ireo andriamani-tsy izy no fivelomany. Taoriana-na andro maromaro niainany ady anaty, dia takany fa Ilay Zanak’Andriamanitra irery ihany, Izay maty mba hamonjy azy, no afaka manome azy fiadanana. Koa nafoiny avokoa izay rehetra momba ny finoany teo aloha, ka nitoky tamin’i Jesosy izy.
Ianao koa, tia anao Andriamanitra. Angamba ianao mahatsapa fa misy zavatra ao amin’ny fiainanao manakana anao tsy hanatona Azy ? Izay zavatra izay ve, manan-danja kokoa noho ny fitiavan’i Jesosy anao ? Hoy Izy aminao, toy ny nambaran’i Josoa an’ireo mpiara-belona aminy fahiny, hoe : „Fidionareo anio ary izay hotompoinareo”. Hain’i Jesosy ny manafaka anao amin’ny sakantsakana rehetra sy mahatonga anao ho sambatra. Manatòna Azy !