Asabotsy 18 Oktobra 2025

Ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra, noho ny fihoaran’ny hatsaran’ny fahalalana an’i Kristy Jesosy Tompoko, Izay niaretako ny fatiantoka ny zavatra rehetra, ka ataoko ho taimboraka ireny, mba hahazoako an’i Kristy. Filipiana 3:8

 

Ny zavatra rehetra, ho an’i Kristy ! (3)

Tsara vakina : Filipiana 3:1-14

Ao amin’io toko io ny apostoly Paoly dia mitanisa ireo tombontsoa ananany, aloha, amin’ny maha Jiosy azy, tombontsoa nanorenany ny fitokiany manontolo. Teo amin’ny lafiny ara-toe-panahy sy ara-pivavahana dia nanana ny zavatra rehetra izy, ary afaka nihevi-tena ho tsy manan-tsiny, raha ny amin’ny lalànan’i Mosesy. Nefa rehefa nankany Damaskosy izy mba hanenjika ny kristiana, dia nifanena tamin’i Jesosy, Ilay nolaviny tamin’ny heriny manontolo, teo aloha. Takany tamin’ny indray mipy maso fa nitsangana velona indray Jesosy, ary mamirapiratry ny fiandrianana maha Andriamanitra Azy, any an-danitra. Nampitsimbadika ny tao anatin’i Paoly io fifanenana tsy fahita io, ary nanova tanteraka ny fiainany, ny ambaratongan-kasina tao aminy, ny fanombanany zavatra : nanomboka teo dia nataony „ho taimboraka” izay noheveriny ho tombony nampirehareha sy nahafeno risi-po azy. Foana avokoa izay rehetra zava-dehibe taminy, ka tsy nisy afa-tsy Kristy sisa. Eny, aminy dia ahazoana tombony ny velona ho an’io Mpamonjy nitia azy fatratra io !

Nanomboka tamin’io andro tsy hay hadinoina io i Paoly dia nihazakazaka „miezaka hanatratra ny marika… [hahazoany] ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra any ambony, ao amin’i Kristy Jesosy”. Tsy nanaiky ho variana amin-javatra hafa intsony izy.

Ry kristiana namana, Kristy ve mameno sy manana ny fonao ? hany ka ekenao ny hamoy ny zavatra rehetra (ary na zavatra heverinao ho tsy azo avela aza), mba ho velona isanandro eo anatrehany.

(tapitra)