Zoma 17 Oktobra 2025
Fa isika rehetra kosa amin’ny tava tsy misarona dia mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin’ny fitaratra, ka ovana hahazo izany endrika izany indrindra avy amin’ny voninahitra ka ho amin’ny voninahitra, toy ny avy amin’ny Tompo, dia ny Fanahy. 2 Korintiana 3:18
Ao amin’ny Eksodosy toko faha-34 i Mosesy dia avy teo amin’Andriamanitra tany an-tendrombohitra, nandritra ny 40 andro. Rehefa niverina nankeo amin’ny vahoaka nijanona tao an-toby izy dia voatery nanarona ny tavany namirapiratra hazavana hafa kely, satria niresaka tamin’Andriamanitra (Eksodosy 34:28-35). Tamin’izany fotoana izany dia i Mosesy irery no afaka nijoro teo anatrehan’Andriamanitra : nantsoin’Andriamanitra hankeo aminy izy. Fa ankehitriny, satria vita ny asa teo amin’ny hazofijaliana, dia afaka mibanjina ny Tompo amin’ny finoana ny mpino rehetra, tsy amin-tahotra, eo am-piandrasana ny hahita Azy tsy ho ela any an-danitra.
Tian’Andriamanitra isika ho feno an’i Kristy, Ilay môdely lavorary ho antsika. Iriny isika hanahaka Azy bebe kokoa isanandro : „Satria izay fantany rahateo no notendreny koa hitovy endrika amin’ny Zanany, mba ho Lahimatoa amin’ny rahalahy maro Izy” (Romana 8:29).
Ny andinin-tSoratra Masina androany dia miresaka olona „ovana” : inona no tokony hataontsika amin’izany ? Mibanjina tsotra fotsiny an’i Jesosy amin’ny finoana, mampitodika ny fisainantsika aminy, any amin’izay misy Azy ankehitriny, eo amin’ny fanatrehan’Andriamanitra. Amin’izany no hianarantsika hahafantatra sy ho tia Azy bebe kokoa hatrany ; ary tsy ho fantatsika angamba, fa io fibanjinantsika Azy io dia hamela mariky ny toetra an-danitra eo amin’ny fiainantsika manontolo, toy ny famirapiratry ny tavan’i Mosesy. Tsy ho ela isika dia ho voaova hitovy tanteraka amin’i Kristy, rehefa hampidirina any an-danitra eo amin’ny fanatrehan’Andriamanitra, fanatrehana mahatalanjona.
„Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa” (1 Jaona 3:2).
(hitohy)