Alakamisy 16 Oktobra 2025

Voahombo miaraka amin’i Kristy amin’ny hazofijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko ; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin’ny nofo dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy. Galatiana 2:20

 

Kristy, ivo sy fiorenan’ny finoantsika (1)

Rehefa miova fo ho an’i Jesosy Kristy ny kristiana dia tonga saina fa afaka amin’ny fahamelohany ka manjary marina eo anatrehan’Andriamanitra : manana „fihavanana amin’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika” (Romana 5:1) izy. Noho izany, Jesosy Izay ninoany dia manjary ivon’ny fiainany vaovao, tanjony, antony manosika azy.

Ohatra ho antsika ny apostoly Paoly : Jesosy Kristy, Izay Mpamonjiny sy Tompony, no hany nanan-danja taminy, tsy nisy dikany taminy intsony ny zavatra hafa rehetra. Hoy izy : „Kristy no anton’ny ahavelomako” (Filipiana 1:21). Teo am-piandrasana ny ho any an-danitra hiaraka aminy, dia tsy nivelona afa-tsy ho an’ny Tompony izy teto an-tany, nilofo hanompo Azy, hanome voninahitra Azy, hanao izay mahafaly Azy amin’ny zavatra rehetra.

Kristy no ivon’ny finoan’ny mpino, ary Izy koa no fiorenan’izany. Hoy Jesosy : „Tahaka ny nanirahan’ny Ray velona Ahy, ary Izaho koa velona amin’ny Ray, dia tahaka izany koa izay mihinana Ahy no ho velona amiko” (Jaona 6:57). Ny „mihinana an’i Kristy” isanandro dia hoe miresaka aminy amin’ny alalan’ny vavaka sy mihaino Azy amin’ny famakiana ny Baiboly. Izany dia hoe miditra ao amin’ireo fiheviny, ka mianatra hahalala Azy akaikikaiky kokoa.

Kristy no loharanon’ny aina, ary ny finoana no fantsona mampifandray antsika amin’ny loharano : velona amin’ny finoana an’i Kristy isika sady miankina aminy.

„Ny oloko marina dia ho velon’ny finoana” (Hebreo 10:38).

(hitohy)