Alarobia 15 Oktobra 2025

Andriamanitra dia lehibe loatra ka tsy leon’ny zanak’olombelona. Koa nahoana no manome tsiny Azy ianao, noho ny tsy nampisehoany izay antony amin’ny ataony ? Joba 33:12-13

Koa samy hampamoahin’Andriamanitra ny amin’ny tenany avy isika rehetra. Romana 14:12

 

Fialan-tsiny mitombina

Tamina adihevitra iray dia hoy ity tovolahy : „Na ahoana na ahoana, raha misy Andriamanitra, dia tsara ho Azy ny manana fialan-tsiny mitombina !” Azo antoka fa nihevitra izy hoe tokony hanao fialan-tsiny mitombina amin’ny zanak’olombelona Andriamanitra, satria namela hisy ny fijalian’ny ankizy, ireo tsy rariny sy zava-doza marobe mahatezitra ny isambatanolona.

Rariny ve ny mitsara Ilay Mpahary antsika ? Ary loza kokoa noho izany aza, fa ny zanak’olombelona indray ve, hatramin’ny nidiran’ny ota teto amin’izao tontolo izao, miaraka amin’ny vangongom-pijaliana nentiny, no ho sahy hihambo ho mpitsara Ilay Andriamanitra marina sy masina tanteraka ? Ny fitakiana fanamarinana ny asany amin’ny Ilay Tompon’izao tontolo rehetra izao, dia tena maneho tsy fahafantarana mihitsy Ilay Andriamanitra „velona sy marina” (1 Tesaloniana 1:9).

Ankoatra izany, tsy noho ny fikomian’ny olombelona tsy akory no tsy anamarinan’Andriamanitra izay ataony, fa satria Izy dia Andriamanitra. Tsy azon’iza na iza ampamoahina Izy (jereo Romana 9:20). Isika no tokony hampamoahina !

Tsy maintsy miaiky ny olona fa nandà an’Andriamanitra, ka tafalatsaka eo ambany fanapahan’i Satana. Io tompo lozabe io dia tsy mahalala ny fitiavana, „mpandainga sady mpamono olona” (Jaona 8:44 ; 14:31). Ny laingan’ny devoly dia ny mampino ny olombelona hoe Andriamanitra no tompon’andraikitra amin’ny fijalian’izy ireo. Ary indrisy fa mino io lainga io isika.

Tsia, Ilay tena Andriamanitra dia mahatakatra ny fijalian’ny olona. Izy dia Fitiavana, noporofoiny izany tamin’ny nanomezany an’i Jesosy Kristy Zanany, ho famonjena mandrakizay izay mino Azy.

Aza manangan-tena ho mpitsara isika, fa aoka hanaiky am-panetrentena sy fankasitrahana io famonjena mahatalanjona io !