Talata 14 Oktobra 2025
Maty hamonjy ny olona rehetra Izy (Kristy), mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’Izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy. 2 Korintiana 5:15
Nandritra ny fihibohana nodidin’ny manampahefana noho ny valanaretina Covid, dia sarotra niainana indraindray ny fameperana ny fahafahana. Izany no nanjo ity mpanakanto nitaky ny zo mba „hiaina, na ho faty aza”. Nandà ny faneriterena nodidina teo amin’ny fomba fiainany izy, ka nitaky fahafahana tanteraka.
Nefa ny hoe miaina ve dia manao izay tiana hatao sy manatanteraka izay rehetra fanirian’ny tena ? Ny tena fahafahana ve dia midika hoe mitondra ny fiainantsika araka izay tiantsika ?
Ny Baiboly dia mampahafantatra antsika fa andevon’ny filantsika sy ny faniriantsika isika. „Izay rehetra manota dia andevon’ny ota” (Jaona 8:34), hoy Jesosy tamin’ireo nihevi-tena ho olona afaka. Fitaky ny saina ny fiheverana fa mba ho olona afaka dia tokony hialana izay rehetra mety ho fifehezana, indrindra ny fifehezan’Andriamanitra.
Jesosy, teo amin’ny fiainana naha olona Azy tetỳ an-tany, dia nampiseho tamintsika ny atao hoe tena fahafahana. Ny fifaliany dia ny nanao ny sitrapon’Andriamanitra Rainy. „Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako ; ary ny lalànanao no ato anatiko” (Salamo 40:8). Izany dia ny fahafahana toetra manana antony manosika, manana sitrapo mitovy amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Ahoana no hahafahantsika ho tonga amin’izany ? Raha mino an’i Jesosy isika, dia hanana toetra vaovao omen’ny Fanahin’Andriamanitra aina. Dia ho afaka amin’ny ratsy ao anatintsika isika, ary hikatsaka izay mahafaly an’Andriamanitra. „Koa raha ny Zanaka (Jesosy) no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo” (Jaona 8:36). Olona afaka mba hanao ny tsara. Izany no fanorenan’ny tena fiainana.