Alatsinainy 13 Oktobra 2025

Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. Jaona 3:16

Marina Izy (Andriamanitra) sady hanamarina izay manana finoana an’i Jesosy. Romana 3:26

 

Herin’ny fitiavana

Nitantara i Sénèque filôzôfa hoe ny amperora Aogosto dia nandrava tan-kerisetra fiokoana maro. Ren’i Aogosto, indray andro, fa nanomana famelezana azy koa i Cinna namany. Niangavian’i Livie vadiny izy, mba halemy fanahy amin’i Cinna : „Ny famindramponao dia hahazo valisoa ao amin’io famindrampo io ihany”. Nihaino ny vadiny i Aogosto, nampiantso ilay meloka, ary nilaza taminy fa fantatra hatramin’ny antsipiriany kely indrindra ny teti-dratsiny, sady naneho fahamoram-panahy taminy. Menatra noho io hatsaram-panahy io ilay mpioko, ka nanjary anisan’ireo mpomba nahafoy tena indrindra ho an’ny amperora.

Fantatr’Andriamanitra avokoa izay rehetra asantsika sy fihevitsika ; toy ny boky mivelatra eo anatrehany ny fiainantsika. Nefa masina Izy, tsy afaka mahita ny ota ka tsy hanafay izany. Na izany aza anefa, tsy nanameloka antsika mihitsy Izy, fa maniry hamonjy antsika aza. Toy ny an’i Cinna, ny fahadisoantsika dia mety ho hitantsika hoe mavesatra sy lehibe loatra, ka tsy afaka avela. Andriamanitra anefa dia tia antsika, ary nahita ny fomba ampiharana ny fitiavany, sady nitoetra ho marina. Nirahiny ny Zanany, Izay tia antsika ihany koa, mba handray ny fahotantsika toy ny hoe Azy : ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no nahatra taminy ; nisolo toerana antsika Izy, nizaka ny fitsaran’Andriamanitra ara-drariny, tamin’ny nahafatesany ho antsika. Voaisotra tsy ho eo anatrehany ny fahamelohantsika, raha toa isika miaiky ireo fahadisoantsika sy mino Azy.

Handà ny famelan-keloka atolotr’Andriamanitra ve isika ? Raha manilika ny fanafahany, na mihevitra fa tsy ampy ny sorona nataon’ny Zanany, dia ho maniratsira an’Andriamanitra. Raiso am-pankasitrahana ny fahasoavana atolony, dia ho afaka ianao !