Alahady 12 Oktobra 2025

(Hoy Jesosy :) Ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako ; ary ny vavahadin’ny fiainan-tsy hita tsy haharesy azy. Matio 16:18

Fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny anarako, dia ao afovoany Aho. Matio 18:20

 

Aiza ny Fiangonana ?

Mety hipetraka io fanontaniana io, raha toa isika mitady fiangonana iray amin’ireo antokom-pivavahana kristiana samihafa misy ankehitriny. Satria tamin’ireo taonjato voalohany dia efa niseho ny fisaratsarahana teo amin’ny kristiana, ary nisy „fiangonana” marobe nipoitra.

Any Frantsa, ohatra, dia tsy afaka mitsidika tanàna iray ka tsy hahita fiangonana na tempoly ao. Nefa lazain’ny Baiboly antsika kosa fa ny tena Fiangonan’i Jesosy Kristy dia tsy ilay trano ivoriana mba hitsaohana an’Andriamanitra tsy akory. Ny hoe Fiangonana dia ny fitambaran’ny mpino rehetra nandray an’i Kristy ho Mpamonjy. Izy ireo dia miantehitra amin’Ilay fanorenana, dia „Kristy, Zanak’Andriamanitra velona” (Matio 16:16). „Ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako”, hoy Jesosy (andinin-tSoratra Masina androany). Ny Fiangonana dia tsy fikambanan’antokom-pinoana na anaram-piangonana izatsy na izaroa. Ny kristiana rehetra, nateraka indray, no miara-mandrafitra ny Fiangonan’i Jesosy Kristy, izay oharin’ny Baiboly amina vatan’olombelona iray, vatana velona, izay Kristy no lohany (1 Korintiana 12:13).

Ny fiparitahana ankehitriny ho vondrona kristiana marobe dia tsy ahitana ny maha iray ny Fiangonana eto amin’izao tontolo izao, araka ny nangatahin’i Jesosy (Jaona 17:21). Nefa aza kivy isika, satria ny Tompo dia mahita ny mpino tsirairay eo amin’izay toerana misy azy avy. Izy irery no mahita ny maha iray ihany ny Fiangonany, ka na kristiana roa na telo aza no mivory manodidina Azy, dia afaka mifantoka mba hiaina ny atao hoe Fiangonana, araka ny maha iray azy io. Araka izany, ny mofon’ny Fanasan’ny Tompo dia hitan’izy ireo ho marika maha iray ny Fiangonana, izay tenan’i Kristy.