Asabotsy 11 Oktobra 2025
Jehovah niseho tamin’i Abrahama teo an-kazo terebintan’i Mamre ; ary nipetraka teo am-baravaran’ny lainy izy, raha nafana ny andro. Genesisy 18:1
Ary Abrahama nino an’Andriamanitra, ka nisaina ho fahamarinany izany, ary natao hoe Sakaizan’Andriamanitra izy. Jakoba 2:23
Maharitra tsy ampoizina ny haela velon’ny hazo terebinta. Ny sasany dia mety ho velona 2000 taona. Izy dia kisarisarin’ny hery sy ny haela velona. Noho izany no nilazana ny mponina tranainy iray tany Palestina hoe : „lava tsanganana toy ny hazo sedera sy natanjaka toy ny ôka” (Amosa 2:9).
Abrahama dia nanangana ny lainy teo akaikin’ny hazo terebintan’i Mamre. Teo, tao amin’ny fonenany, no nihaonan’Andriamanitra imbetsaka taminy, nandrenesany an’Andriamanitra niteny taminy, nefa koa nahafahany niresaka tamin’Andriamanitra, nitsaoka Azy sy nivavaka taminy ho an’i Lota zana-drahalahiny, izay notandindomin-doza (Genesisy 18). Araka izany, io toerana misy alokaloka nonenan’i Abrahama io dia nanjary kisarisarin’ny fiombonana amin’Andriamanitra, fifandraisana akaiky eo amin’Andriamanitra sy ny mpino.
Abrahama dia nantsoina hoe sakaizan’Andriamanitra. Tsy i Abrahama tsy akory no niantso an’Andriamanitra hoe sakaizany, fa ny mifanohitra amin’izany. Izany dia milaza amintsika ny fitiavana tsy misy fetran’Ilay Andriamanitra maniry hifanerasera amin’ny mpino. Namaly io fitiavan’Andriamanitra io i Abrahama, tamin’ny fatokiany Azy sy ny tsy fivadihany aminy. Io firaiketam-po io dia nitarika azy hanana fifandraisana lalindalina kokoa hatrany amin’Andriamanitra.
Eny, mandraka ankehitriny i Abrahama dia mampiseho amintsika ny lalana hahatongavantsika ihany koa ho „sakaizan’Andriamanitra” : mino ny teniny, ka noho izany, manjary marina amin’ny alalan’ny sorona nataon’i Kristy maty noho ireo fahotantsika. Mitoky amin’Andriamanitra eo amin’ny toejavatra rehetra mitranga, na dia izay mampijaly indrindra aza. Mianatra mihaino Azy, mitsaoka Azy sy mivavaka aminy ho an’ny olona akaiky antsika, ary ho an’ireo izay tsy tia antsika ihany koa aza. „Mivavaha ho an’izay manenjika anareo, mba ho tonga (mihoatra noho ny sakaiza) zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo” (Matio 5:44-45).