Zoma 10 Oktobra 2025
Mikely aina koa aho mba hanana fieritreretana tsy manameloka ahy na amin’Andriamanitra na amin’olombelona mandrakariva. Asan’ny Apostoly 24:16
Fa izao no ankasitrahina : raha misy olona mitondra alahelo ka mandefitra ny tsy marina, noho ny fieritreretana ny amin’Andriamanitra. 1 Petera 2:19
Miaina ao anaty fiarahamonina tsy marina, tia tena sy feno fahavetavetana isika matetika… Ary ny tontolon’ny asa dia tsy afa-miala amin’ireo lainga, hafetsena, fanararaotana isan-karazany, mba hahazoan’ny sasany tombony sy toerana mambotry ny hafa.
Ahoana no ho fihetsitsika, araka ny maha kristiana antsika, ao anatin’izany toejavatra izany ? Inona no tanjona lehibe indrindra kendrentsika eo amin’ny fiainana ? Tsy miaina eto an-tany isika mba hahazo vola be araka izay tratra, na hanjakazaka amin’ny namantsika, na hitady fahafinaretana ho an’ny tenantsika, fa mba hanao izay mahafaly an’Andriamanitra, hanompo Azy sy ho tia ny namantsika. Ndao hahatsiaro lalandava ny fiainan’i Jesosy Tompontsika, mba tsy „hifindran’ny aretina” mahatonga hikatsaka ny tombontsoa sy ny zava-mamitaka atolotr’izao tontolo tsy misy an’Andriamanitra izao.
Ny andinin-tSoratra Masina etsy ambony dia mampirisika antsika hanao izay azontsika atao mba hanana fieritreretana tsy manameloka, eo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona ; ho amin’izany isika dia miantehitra amin’ny fanampian’ny Tompo. Ndao ho mahitsy sy marina eo amin’ny asantsika, na dia tsy toy izany aza ny lehibentsika sy ny mpiara-miasa amintsika.
Ny fandavana ny tsy rariny, fihatsarambelatsihy, tsy fanajana tena ao amin’ny andraikitsika sy ny fifandraisantsika amin’ny hafa, dia hampiditra antsika amina lalana sarotra kokoa, ary mety hiteraka fatiantoka ho antsika. Nefa inona moa izany miohatra amin’ny fifaliana ho tsapantsika rehefa miaina am-pindrindrana miaraka amin’Andriamanitra ? Tsy manan-danja kokoa ve ny fananana fieritreretana milamina, toy izay ny harena sy ny fahombiazana eto amin’izao tontolo izao ?
Raha toa ka ny hanome voninahitra an’Andriamanitra no laharan-kamehana amintsika, dia matokia fa hokarakarainy isika. Izy no „hahatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka ny harenany amin’ny voninahitra, ao amin’i Kristy Jesosy” (Filipiana 4:19).