Alakamisy 9 Oktobra 2025

Fa sarotra avotra ny ainy, ka tsy azo atao mandrakizay. Salamo 49:8

Koa samy hampamoahin’Andriamanitra ny amin’ny tenany avy isika rehetra. Romana 14:12

 

Very noho ny fahadisoako

Nikorontan-tsaina tanteraka i Benja. Vao naheno ny fahafatesan’i Vincent namany izy, fahafatesana tonga tampoka. Ambonin’izany dia manome tsiny ny tenany izy, satria tsy mba niresaka tamin’i Vincent momba ny Tompo Jesosy, Ilay Mpamonjy. Naniratsira matetika an’Andriamanitra i Vincent, ary tsy tian’i Benja ny nifanena taminy, satria tsy nampahazo aina azy ny faniratsirany. Efa tara loatra ankehitriny, satria tsy hisy intsony fotoana hiresahany aminy. Nampanonofy ratsy imbetsaka an’i Benja izany. Nony farany izy dia nankany amin’ny raibeny, nitantara taminy ny zavatra rehetra : „Dadabe a, azonao an-tsaina ve ! Noho ny fahadisoako no tsy nandrenesan’i Vincent sy tsy nandraisany ny Filazantsara…”

Nanapaka ny teniny avy hatrany ny raibeny, nilaza hoe : „Marina fa andraikitrao ny manararaotra ny fotoana omen’Andriamanitra anao mba hiresahana an’i Jesosy. Raha dila ireny fotoana ireny ianao, dia very ny tombontsoa ampiasan’Andriamanitra anao, ary hampiasa olona hafa Izy. Raha omeny haja ianao hampiasainy, dia ataovy fotsiny izay lazainy anao. Nefa fantaro fa Andriamanitra tsy mangataka anao hanova fon’olona : asany irery mandrakariva izany, fa tsy asanao, na asan’izay mpitory Filazantsara mahay indrindra. Andriamanitra tsy hampiankina na oviana na oviana ny famonjena ny namanao amin’ny toetranao mahatoky, ary tsy ho very noho ny fahadisoanao izy : izany mantsy dia ho mametraka ny famonjena azy amin’ny ezaka ataonao. Ary fantatrao tsara fa ny famonjena anao manokana dia fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra ! Ambonin’izany, fantaro fa na tamin’ny fomba izatsy na izaroa Andriamanitra dia efa niteny tamin’i Vincent. Nihaino Azy ve izy ?”

Ary ianao izay mamaky izao alimanaka izao, ary mbola tsy nanolotra ny fonao ho an’i Jesosy, tompon’andraikitra manokana ny amin’ny tenanao ianao, eo anatrehan’Andriamanitra, hanaiky tsy misy hataka andro ny fanasana feno fitiavana atolony. Fohy mantsy ny andro iainana !