Alarobia 8 Oktobra 2025
Tahaka ny tamin’ny andro fony tsy mbola tonga ny Safodrano, ka nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoaka ny ampakarina, mandra-piavin’ny andro izay nidiran’i Noa tao amin’ny sambofiara, ary tsy fantany mandra-piavin’ny Safodrano izay nandringana ny olona rehetra. Matio 24:38-39
Indro, ankehitriny no andro famonjena. 2 Korintiana 6:2
Tamin’ny volana marsa 1980 dia nanomboka nirohondrohona ny volkanon’ny Tendrombohitra St Helens, any avaratra-andrefan’i Etazonia. Nihamaro ny fambara mialoha, ary nilaza ny manampahaizana manokana fa hipoaka ilay volkano efa natory nandritra ny 175 taona mahery. Nafindra hiala ho any amina toerana ivelan’ny faritra ahina hahitan-doza ny ankamaroan’ny mponina. Nisy lehilahy iray, antsoina hoe Harry Truman, nandà tanteraka tsy handeha. Nihambo izy fa afaka ho velona amin’izay rehetra mety ho fipoahana, hiery ao anatina lalan-johy-na fitrandrahana akora eo akaiky eo. Nisy olona maromaro liana, tsy tonga saina na sahisahy, nijanona ihany koa teo akaikin’ilay volkano efa nanambana. Nefa ny 18 mey dia nisy fipoahana goavam-be nanampoka olona 57, maty tratran’ny rihitr’afotroa nangotrakotraka sy ny lavenona mitondra afo mandoro. Na teo aza ilay fialofana nianteheran’i Harry Truman, dia maty tamin’izany izy, toy ireo nanao tsinontsinona ny fampitandremana sy nanamaivana ny loza !
Toy izany koa, Andriamanitra dia mampitandrina ny olona tsirairay ary mampiseho amintsika fa efa hifarana ny vanimpotoanan’ny fahasoavany. Aorianan’izany dia tsy ho hay atao intsony ny hiala amin’ny fitsarana mandrakizay. Mandraka ankehitriny Andriamanitra dia mbola manolotra antsika ny famonjena, satria tia antsika : nomeny Jesosy Kristy Zanany, Izay nisolo toerana antsika, nizaka ny famaizana ireo fahotantsika. Aza manao kilalao ny ho anjara mandrakizain’ny fanahintsika isika, aza mihevitra hamonjy ny tenantsika na hoe hanana fotoana hieritreretana, rehefa ho tonga io fotoana farany io. Ankehitriny no andro famonjena. Raha mbola tsy voaron’ny ran’i Kristy latsaka ho anao teo amin’ny hazofijaliana ianao, dia antsoin’Andriamanitra hitodika aminy sy hino ny sorona nataon’ny Zanany.