Talata 7 Oktobra 2025
Sambatra izay olona manao an’i Jehovah ho tokiny. Salamo 40:4
(Hoy Jesosy :) Raha fantatrao ny fanomezan’Andriamanitra… Jaona 4:10
Ao anaty boky iray mitondra ny lohateny hoe „Zavatra 101 hatao alohan’ny hahafatesana”, dia ahitana lisitra-na zavatra tsy mahazatra hatao mba tsy ho tra-nenina, hono. Ohatra : mamorona teny iray hampidirina ao anatin’ny rakibolana, misambotra trondro amin’ny tanam-polo, manao izay hisamboran’ny polisy ny tena, sns.
Fa inona kosa ireo zavatra tena tokony hatao, mba hahomby eo amin’ny fiainan’ny tena ?
Asehon’ny Baiboly fa misy zavatra IRAY LOHA tena tsy maintsy atao mihitsy, dia ny mitodika amin’Andriamanitra, satria ny olona dia voatendry „ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana” (Hebreo 9:27). Raha toa mantsy isika nanome lamosina Azy hatreto, nefa miverina ilalana mba hanatona Azy, dia hanova ny fiainantsika manontolo izany.
Matetika, mihevitra ny olona fa ny manatona an’Andriamanitra dia hiteraka faneriterena maro. Hevitra diso ny amin’Andriamanitra anefa izany : tsy mba Andriamanitra mitaky Izy, fa Andriamanitra manome. Omeny fiainana mandrakizay ny olona mino an’i Jesosy Kristy (1 Jaona 5:13). Ary raha misy mahafantatra antsika tanteraka sy afaka hahasambatra antsika, dia Izy. „Izaho… no Mpandinika ny fo” (Jeremia 17:10).
Koa izao ankehitriny izao no tokony hanapa-kevitra hitodika amin’Andriamanitra, fa tsy rehefa avy eo. Afaka miresaka tsotra aminy isika, milaza aminy hoe matahotra faneriterena, mangetaheta fahafahana sy fahasambarana. Ny zavatra tsara hatao indrindra, alohan’ny hahafatesana, mba tena hiainana marina, dia ny manatona an’Andriamanitra amin’izao maha isika antsika izao, ny mitodika aminy. Tsy hoe manatona Azy mba „hanao fampihavanana ny tena amin’Andriamanitra” tsy akory, satria tsy haintsika atao izany, fa mba handray maimaimpoana ny fampihavanana nataon’i Jesosy ho antsika teo amin’ny hazofijaliana (Kolosiana 1:20). Koa nahoana no hisalasala ?