Alatsinainy 6 Oktobra 2025
Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho [hoy Andriamanitra], ary mandra-pahafotsy volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo. Isaia 46:4
Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko ; ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra… Izay mahavoky soa ny vavanao ; ny fahatanoranao mody indray toy ny an’ny voromahery. Salamo 103:2, 5
Mijanona ho tanora na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana… Avy aiza moa io lamaody mitady hitarika ny fiainantsika io ? Ny hoe „fitiavana hijanona ho tanora” dia fiteny vao haingana ihany, fiteny manandratra ny hatanorana ho môdely tsy maintsy arahina, ary mandà ny fahanterana sy manilika ireo hita hoe miha antitra. Ny fiarahamonina iainantsika, manindrahindra ny fanjifana, dia manosika antsika hanao izay rehetra azo atao mba hijanonana ho tanora, amin’ny fanarahana fitsipi-tsakafo mifanandrify amin’izany mba hahazoana hodi-jaza, kibo mifintina, ary koa mba hitehirizana ny fahafaha-manao ara-batana sy ara-tsaina.
Ireo toetoetra hijanonana ho tanora ireo dia mety ho fandrika ho an’ny maro, ary indraindray manokatra lalana ho amina fijaliana mafy. Mba hisorohana izany loza izany, dia ndao ho „mahonona tena amin’ny zavatra rehetra” (2 Timoty 4:5).
Nefa ny fahanterana ara-batana dia tsy mifanipaka amina „fivelaran”’ny fiainana ara-panahy anaty-n’ny mpino, ary mifanohitra amin’izany aza. Na izany aza anefa, isika efa zokinjokiny, aoka hanokatra ny masontsika : ny fitiavantsika ny Tompo ve iharan’ny fanimban’ny fotoana ? Mbola feno firehetam-po toy ny tamin’ny folo taona lasa ve ny vavaka ataontsika ? Nitombo tamin’ny fahalalana ny Tenin’Andriamanitra ve isika, sa nihitsoka teo amin’ireo teny natomboka nianarana ? Isika ve mbola manana ny hafanam-po manompo ny Tompo, toy ny tamin’ny andro niovantsika fo ho an’i Kristy ?
Ny apostoly Paoly dia nilaza fa na dia mihalevona aza ny toetrantsika ivelany, dia havaozina isanandro isanandro kosa ny toetrantsika anatiny (2 Korintiana 4:16). Ndao, rehefa avelan’Andriamanitra, hankafy io fihavaozan’ny toetrantsika anatiny io. Ndao hisaotra Azy, ary tsy hanadino hivavaka ho an’ireo namantsika zokiolona. Ndao hitsidika azy ireo, satria matetika any amin’izy ireo misy „vongana” kely iray miandry antsika, hamelombelona ny finoantsika !