Alahady 5 Oktobra 2025

Andriamanitra ao amin’i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy. 2 Korintiana 5:19

Mifankazara amin’ny Tsitoha ianao, dia hiadana ; izany no hahatongavan’ny soa aminao. Joba 22:21

 

Vita fihavanana amin’Andriamanitra ve ?

Fanontaniana faran’izay lehibe izany. Ny famitranam-pihavanana dia sady fizoran’Andriamanitra mankeo amin’ny olona no fizoran’ny olona manatona an’Andriamanitra. Ny tanjon’izany dia ny fihavanana.

Ilay voazimbazimba dia Andriamanitra, satria mpanota ny olona. Koa rariny raha mandeha manatona an’Andriamanitra ny mpanimbazimba, izany hoe isika tsirairay, mba hiteny aminy hoe : „Te hamitrana fihavanana aminao aho ; lazao ahy izay tokony hataoko mba hanonerako ireo fahadisoako ; hanefa izany aho”. Nefa Andriamanitra mahafantatra tsara fa na oviana na oviana ny mpanota tsy hanao ny dingana voalohany hanatonana Azy, ary tsy afaka hanefa ny trosan’ireo fahotany.

Koa nandray fepetra Andriamanitra nialoha ahy, satria tia ahy, na dia meloka aza aho. 2000 taona lasa izay, teo amin’ny hazofijaliana tany Golgota, dia nazeran’Andriamanitra tamin’ny Zanany ny famaizana sahaza ahy. Natao ho anisan’ny mpandika lalàna Jesosy, ka nitondra ny fahotan’ny maro (Isaia 53:12). Io sorona fanonerana io no mampihavana ahy amin’Andriamanitra.

Koa vita fihavanana amin’Andriamanitra avokoa ve izany ny olona rehetra ? Tsia ! Ilaina ny anaovany ny hany dingana takina amin’izany : mandray amin’ny finoana ilay fanomezana mahatalanjona atolotr’Andriamanitra azy, dia ny famonjena vokatry ny nahafatesan’i Jesosy Kristy. „Ny rany teo amin’ny hazofijaliana no nanaovany fampihavanana” (Kolosiana 1:20).

Ianao ve efa nanao io dingana io ?

Dia afaka miangavy ny namany ireo izay vita fihavanana amin’Andriamanitra, hoe : „Mihavàna amin’Andriamanitra anie ianareo. Izay tsy nahalala ota (Jesosy) dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy kosa isika” (2 Korintiana 5:20-21), izany hoe : mba hahatonga an’Andriamanitra hanao antsika hoe marina.