Asabotsy 4 Oktobra 2025
Fa izaho dia tahaka ny hazo oliva maitso ao an-tranon’Andriamanitra. Matoky ny famindrampon’Andriamanitra mandrakizay doria aho. Salamo 52:8
Nony antoandro dia nampianatra teo an-kianjan’ny tempoly Izy (Jesosy) ; ary nony alina dia nivoaka Izy ka nitoetra teo an-tendrombohitra atao hoe Oliva. Lioka 21:37
Ny hazo oliva dia hazo tsy mihintsan-dravina miloko maitso somary mivolom-bolafotsy, maniry any amin’ireo tany manodidina ny ranomasina Mediteranea. Na dia ambolena eo amina tany vatoina aza izy, dia lava aoka izany ny haela velony. Izy dia kisarisarin’ny mpino mitoky amin’Andriamanitra, tsy hay hozongozonina, ary havaozina ao amin’ny finoana (andinin-tSoratra Masina androany).
Imbetsaka Jesosy no nankany an-tendrombohitra Oliva, izay antsoina toy izany noho ny hazo oliva mandrakotra ireo fidinana eo aminy manandrify an’i Jerosalema. Tsy mba nanana fonenana Azy manokana Jesosy, tsy mba nanana izay hipetrahan’ny lohany (Lioka 9:58). Indray hariva, rehefa nody tany an-tranony avy ny olona, Izy kosa nitokana tany an-tendrombohitra Oliva (Jaona 7:53-8:1). Indraindray Izy dia nandany ny alina tany, indrindra tamin’ny herinandro nialoha ny nanomboana Azy teo amin’ny hazofijaliana.
Taorianan’ny Paska farany, izay nanorenan’i Jesosy ny Fanasàn’ny Tompo (ny mofo sy ny divay, fahatsiarovana ny fijaliany sy ny fahafatesany), dia nivoaka Izy, ary „araka ny fanaony dia nankao an-tendrombohitra Oliva”, niaraka tamin’ny mpianany, mba hivavaka.
Tao Jesosy, tao Getsemane, midika hoe „famiazan-diloilo”, dia nitalaho intelo, tanaty tebiteby faratampony, hoe : „Raiko ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity” (Lioka 22:39, 42). Io kapoaka io dia maneho ireo ora telo eo amin’ny hazofijaliana, hiaretany fijaliana tsy hay lazaina amin-teny, noho Izy hanaiky hanonitra ireo fahotantsika, ka hiantontan’ny fahatezeran’Ilay Andriamanitra masina. Ny fitiavany ny Rainy sy isika tsirairay no nanosika Azy ho tonga hatrany. Nandritra izany Izy nivavaka izany, i Jodasy dia nitarika ny mpiambina mba hanolotra Azy amin’i Pilato (Lioka 22:47).
Taorianan’ny nanomboana Azy teo amin’ny hazofijaliana, rehefa nitsangana velona indray Izy, dia avy eo an-tendrombohitra Oliva no nampiakarana Azy any an-danitra (Asan’ny Apostoly 1:12). Ary eo koa no hametrahany ny tongony, rehefa hiverina Izy mba hametraka ny fanjakany (Zakaria 14:4).