Zoma 3 Oktobra 2025
Finoana no ahafantarantsika fa ny tenin’Andriamanitra no nanaovana izao tontolo izao, ka dia tsy izay zavatra miseho no nanaovana izao zavatra hita izao. Hebreo 11:3
Ny finoana dia avy amin’ny toriteny, ary ny toriteny kosa avy amin’ny tenin’i Kristy. Romana 10:17
Nanomboka tamin’ny taonjato faha-18 dia noraisina ho fototry ny fahalalana rehetra, ary samy tsy azo idifiana, ny fisaina sy porofo ara-tsiansa. Ampirisihina isika hino izay takatsika sy izay hay porofoina, voamarina vavolombelona azo antoka, sady ho mailo manoloana izay tsy hay hazavaina.
Ny mpino ampianarin’ny Baiboly dia afaka miteny am-patokiana hoe : „Finoana no ahafantarantsika fa ny tenin’Andriamanitra no nanaovana izao tontolo izao” (Hebreo 11:3). Ny olona dia tsy afaka mahatakatra afa-tsy ny zavatra eo amin’ny sehatra misy azy. Andriamanitra irery no mahavita zavatra heverin’ny saina ho tsy hay atao, nefa raisin’ny finoana sy ekeny ho zavamisy. Ny zavatra tsy hain’ny olombelona atao dia hain’Andriamanitra (Lioka 18:27), ary hain’ny finoana atao koa, satria ny Tenin’Andriamanitra dia manampy hoe : „Ny zavatra rehetra dia hain’ny mino” (Marka 9:23).
Saint Augustin (354-430) dia tsy mba nampifanohitra ny fahatakarana sy ny finoana ; hoy izy nanazava : „Ny fahatakarana dia valisoan’ny finoana. Koa aza miezaka hahatakatra mba hino, fa minoa mba hahatakatra, satria raha tsy mino ianao dia tsy hahatakatra”. Andriamanitra dia nanome ny finoana ho fitaovana hahazoana ny famonjena. Mba hahatakarantsika ny fomba nandrindran’Andriamanitra ny fitiavany antsika amin’ny fahamarinany sy ny fahamasinany, dia tsy maintsy miaiky ny toetra maha mpanota antsika eo anatrehany aloha isika, ary mandray amin’ny finoana ny fomba ahazoana famonjena, dia Jesosy Ilay Mpamonjy. Dia ampahiratin’Andriamanitra ny masontsika ary sokafany ny fontsika, mba hahatakarantsika ny drafitra mahatalanjona nomaniny ho antsika.