Alakamisy 2 Oktobra 2025
Raha tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita ; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay. 2 Korintiana 4:18
Finoana no andehanantsika, fa tsy fahitana. 2 Korintiana 5:7
Matetika ny mpanamory fiaramanidina dia manidina tsy misy fahafaha-mahita, tsy misy marika ahafantarany ny tany na ny habakabaka. Miantehitra tanteraka amin’ireo fitaovana eo ambany masony izy, mba hahalalany ny toerana misy ny fiaramanidina, amin’ny lafiny marindrano na amin’ny lafiny mijidina. Amin’izany ny mpanamory mbola tsy za-draharaha dia mahatsapa ho ohatra ny eo amina toerana hafa noho izay tondroin’ny famantara-milin’ny fiaramanidina. Mety hanjary mafy aoka izany io fahatsapany io, ka mahatonga ilay mpanamory hisalasala ny amin’ny hatomomban’ny fitaovana eo am-pelatanany. Raha manova ny toeran’ny fiaramanidina araka ny fahatsapany manokana izy, dia mety hahatonga loza mahatsiravina.
Ny mpino koa dia manana fitaovana, ny Baiboly, mba hanondro aminy ny toerana misy azy eo anatrehan’Andriamanitra. Lazainy antsika, ohatra, fa amin’ny finoana no ananantsika fihavanana amin’Andriamanitra sy ankasitrahany antsika (Romana 5:1-2). Indraindray anefa aho dia mahatsapa ny tenako ho osa aoka izany, ho tena tsy ampy hery, hany ka manontany tena hoe Andriamanitra ve tena afaka mandray ahy fenon’ny fisainana ratsy rehetra mamely ahy. Na koa miatrika fitsapana tsy ahitako fiafarany aho ; tena mbola ankasitrahina ihany eo imason’Andriamanitra ve aho ?
Aoka àry isika tsy hiantehitra amin’ny fahatsapantsika, izay miovaova arakaraka ny toe-pontsika na ny toejava-mitranga ; aleo miantehitra amin’ny Baiboly, izay mpitari-dalana tsy mety diso. Ndao hiantehitra amin’ny Baiboly, mandra-pahatongantsika any am-paran’ny dia ! Ndao hino tsy voahozongozona ny fampanantenana raketiny, anisan’ireny ilay ambaran’i Jesosy hoe : „Indro, Izaho momba anareo mandrakariva” (Matio 28:20).