Alarobia 1 Oktobra 2025
Voavela ny helony be, fa be fitiavana izy ; fa izay voavela tamin’ny kely dia kely fitiavana. Lioka 7:47
Koa raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy ; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo. 2 Korintiana 5:17
Nandeha an-tongotra avy any Guatemala nankany Etazonia i Edgardo tamin’izy 16 taona. Rehefa 21 taona izy dia voaheloka ho faty, satria namono polisy iray, rehefa nanao halatra nitam-piadiana. 50 taona izy izao, migadra ao amina fonja ambenana fatratra any Californie. Tao amin’ny lalantsaran’ny fahafatesana i Edgardo no nahita ny famindrampon’Andriamanitra. Resy lahatra tanteraka izy hoe nanota, ka voataona hino fa te hamela ny helony Andriamanitra sady afaka manao izany ; dia nanjary fantany ny fitiavan’i Kristy, Izay maty hamonjy azy.
„Jesosy Kristy no Tompoko, hoy izy nijoro ho vavolombelona, Mpanjakako sy Mpamonjy ahy. Niditra teo amin’ny fiainako Izy, fotoana fohy taorianan’ny nisamborana ahy tamin’ny taona 1992. Nanomboka tamin’izay aho dia nandany ny ankamaroan’ny fotoanako hamakiana ny Baiboly sy handinihana azy, ary hanoratana hafatra ho fitoriana ny Filazantsara. Jesosy no Fitiavana lehibe eo amin’ny fiainako. Izy no Zavatra rehetra amiko.”
Izany fiovany fo ho an’i Kristy izany dia nanova tanteraka ihany koa ny fitondrantenany manoloana ny hafa. Tsy tapaka i Edgardo namoaka hafatra mitondra fanantenana tao amin’ny gazety-boky „Compassion” (Fiombonam-po), natao ho an’ireo Amerikana voaheloka ho faty. Nanolo-tena ho mpitondra tenin’ireo namany izy, tao amina lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe „Voavela ny helony be —fa be fitiavana izy”. Soritsoritiny ao fa sarotra ho an’ireo voaheloka ho faty ny hino an’Andriamanitra, satria mahatsiaro tena ho voailiky ny fiarahamonina mandrakizay izy ireo, na inona na inona ezaka hataon’izy ireo mba hihatsara kokoa.
Ambaran’i Edgardo ny loharanon’ny fanantenany : „Tsy hoe satria aho tsara, na mendrika sy malala-tanana, no itiavako ny hafa. Fa noho ny fahasoavana irery ihany sy ny fitiavana nitiavan’i Kristy ahy sy namelany ny heloko no ahafahako manahaka Azy ankehitriny.”