Talata 30 Septambra 2025
Fa tahaka ny haavon’ny lanitra noho ny tany no haavon’ny làlako noho ny làlanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo. Isaia 55:9
(Hoy Jesosy :) Ianareo avy atỳ ambany ; Izaho avy any ambony. Jaona 8:23
Matetika ireo tenin’i Jesosy dia nisy hevitra itarina ; ireo izay mino Azy ihany no mahatakatra io hevitra io.
— Hoy Izy : „Ravao ity tempoly ity, ary amin’ny hateloana dia hatsangako indray izy”. Ireo izay nihaino Azy dia nihevitra fa ny tempoly tao Jerosalema no noresahiny. „Fa ny tenany no tempoly nolazainy”, ary monina ao Andriamanitra (Jaona 2:19-22 ; Kolosiana 2:9). Rehefa notsaraina Jesosy, dia naolan’izy ireo mihitsy aza ny teniny, toy ny niteny Izy hoe : „Afaka mandrava io tempoly io Aho” ; nefa ny teny nolazainy dia hoe : „Ravao ity tempoly ity”. Tanteraka ny tenin’i Jesosy rehefa novonoina ho faty Izy ary nitsangana velona indray, telo andro taorianan’izany (Matio 26:60-61).
— Hoy Jesosy tamin’i Nikodemosy : „Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra”. Gaga i Nikodemosy ka nanontany hoe : „Hataon’ny olona ahoana no hateraka rehefa lehibe ; moa mahazo miditra any an-kibon-dreniny indray va izy ka hateraka ?” Jesosy anefa dia niresaka ny aina vaovao omen’ny Fanahy Masina ho an’izay olona mino ny teniny (Jaona 3:3-7).
— Jesosy dia nanambara tamin’ny mpianany hoe „matory Lazarosy”. Tsy nieritreritra afa-tsy ny torimaso izy ireo, ka noho izany dia nanatsoaka ny hevitra hoe ho sitrana izy. Nefa ny fahafatesana ara-batana tokoa no noresahin’ny Tompo, nohariny tamin’ny torimaso. Taoriana kelin’izany Izy dia nanangana an’i Lazarosy ho velona indray (Jaona 11).
Ireo ohatra vitsivitsy ireo dia tokony hampitandrina antsika amin’ny fomba famakiantsika ny Baiboly. Ndao hamaky azy am-pitandremana, ary tsy hampiditra ao anatiny ireo fihevitsika manokana. Hotandindomin-doza isika ho diso fandray izay lazainy. Raha misy tsy takatsika, dia aoka tsy ho kivy isika, fa hamaky azy am-bavaka, hiara-mamaky azy ; hanazava ny saintsika Andriamanitra. Ary indrindra, ndao hino tsotra fotsiny izay voasoratra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.
(tapitra)