Alatsinainy 29 Septambra 2025
(Hoy Jesosy :) Ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana. Jaona 6:63
Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an’ny Fanahin’Andriamanitra ; fa fahadalana aminy izany. 1 Korintiana 2:14
Ny tenin’i Jesosy dia nisy hevitra ara-panahy, hafatra mitondra aina ho an’izay nandray ireo teny ireo. Nefa ireo olona nihaino Azy dia nananosarotra hampiala ny fihevitr’izy ireo tamina filana eo no ho eo, ara-pivelomana, ary matetika tsy nahatakatra izay nolazainy. Noho izany dia nohararaotin’i Jesosy izay toejava-nitranga, mba hilazany ny dika lalina fonosin’ireo teniny :
— Nohafaran’i Jesosy ny mpianany tsy ho azon’ny „masirasira”-n’ny Fariseo sy ny olona mpivavaka tamin’izany fotoana izany (Matio 16:5-12). Nihevitra ny mpianatra fa nomen’i Jesosy tsiny ankolaka, satria nanadino nividy mofo. Ny masirasira mantsy dia laro afangaro amin’ny koba, mba hampibontsina azy. Ny noresahin’i Jesosy anefa dia ny hambo nasehon’ireo mpivavaka ireo, nanakana azy ireo tsy ho avy hihaino Ilay Jesosy avy any Nazareta feno fanetrentena, nanakana azy ireo tsy hahatakatra ny tenim-pahasoavany !
— Teo akaikina fantsakana Jesosy dia nifanena tamina vehivavy iray babangoana sy maina fo, ary nampanantena azy rano manala hetaheta. Ny ranon’ny fantsakana no tao an-tsain’io vehivavy io, nefa Jesosy dia te hanome azy zavatra tsara lavitra noho izany. Nampahafantariny azy fa Izy no Ilay Mesia. Ho toy ny rano mahafaka ny hetaheta ara-panahy ny tenin’i Jesosy, raha henoiny. „Na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay ; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny, ho fiainana mandrakizay” (Jaona 4:14).
— Jesosy dia naneho ny tenany ho Ilay mofo velona nidina avy any an-danitra. Ny olona nihaino Azy dia nieritreritra ny „mana” nidina avy any an-danitra fony namakivaky ny taniefitra ny vahoakan’Andriamanitra. Hoy Jesosy tamin’izy ireo : „Izaho no mofon’aina ; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony” (Jaona 6:32-37).
(rahampitso ny tohiny)