Alahady 28 Septambra 2025
Mifampilazà amin’ny salamo sy ny fihirana ary ny tononkiram-panahy, dia mihira sy mikalo ao am-ponareo ho an’ny Tompo. Efesiana 5:19
Maharitra amin’ny fanahy iray ianareo. Filipiana 1:27
Vao avy nahazo fandresena lehibe teo an-tendrombohitra Karmela i Elia mpaminany. Ho valin’ireo vavaka nataony dia nisy afo avy any an-danitra, nandevona tamin’ny fomba mihoatra noho ny voajanahary ny fanatitra teo amin’ny alitara, ary avy ny orana taorianan’ny telo taona sy tapany naharetan’ny haintany. Elia dia nihaika mpaminanin’i Bala (izay andriamani-tsy izy) mihoatra ny 400 lahy, izay novonoina.
Fa ny mpanjakavavy Jezebela kosa, izay nanompo an’i Bala, dia nandrahona an’i Elia hampihatra aminy izay natao tamin’ireo mpaminanin’i Bala. Koa nandositra i Elia ary nitoka-monina. Feno fangidina izy, nampahatsiahy an’Andriamanitra ny zotom-pony, avy eo nitaraina momba ny vahoaka nomeny tsiny tamin’ny nandaozan’izy ireo ny Tompo. Somary nihambo ihany izy, nilaza fa izy irery no olona tany Israely tsy nivadika tamin’Andriamanitra. Dia hitan’Andriamanitra izy, nantsoiny, ary nampahatsahiviny fa misy 7000 lahy tsy mba nandohalika tamin’i Bala.
Tamin’ireo 7000 lahy ireo, dia toa tsy nisy na iray aza, mba nampahery na nanohana an’i Elia. Nahoana no tsy nisy ? Tsy nanana herimpo ve ? Sa satria „samy maka ho azy” ? Ny apostoly Paoly dia nampirisika ny Efesiana hifampahery (andinin-tSoratra Masina androany). Ry kristiana, isika izay miaina ao anaty tontolo mihamanohitra kokoa hatrany an’i Kristy, ndao hihevitra izany, ka hitady ireo fotoana tandrify mba hifanasoavana, ary hihaona mba hihira, hifampizara izay hitantsika ao amin’ny Baiboly ary hiara-mifaly. Mila mifampikasoka amin’ny rahalahy sy anabavy isika, mila miaraka „hampirisihina… amin’ny finoantsika” (Romana 1:12).