Asabotsy 27 Septambra 2025

Nitady hahita izay Jesosy izy (Zakaiosy), kanefa tsy afaka, noho ny habetsahan’ny olona nifanety, satria fohy izy. Dia nihazakazaka nialoha izy, ka nananika aviavy hizaha an’i Jesosy ; fa efa handalo tamin’izany làlana izany Izy. Lioka 19:3-4

 

Ny hazo ao amin’ny Baiboly (6)

Ny aviavim-bazaha

Any Azia atsimo-andrefana dia fahita hatraiza hatraiza ny aviavim-bazaha. Maniry eny rehetra eny izy, hatrany amoron’ny taniefitra, ary afaka velona taonjato maromaro. Ankafizina ny rantsany marindrano, tsy dia avo, satria ahazoana aloka. Ao amin’ny Baiboly, ny aviavim-bazaha dia kisarisarin’ny fanetrentena, ary ny sedera, kisarisarin’ny halehibe.

Amosa, izay mpiandry ondry, olon’ny tany, tany vatoina anirian’ny aviavim-bazaha, dia niaiky tam-panetrentena hoe : „Tsy mba mpaminany aho… fa… mpioty aviavy (aviavim-bazaha, antsoina hoe „aviavin’ny mahantra”) ihany… saingy nalain’i Jehovah… ka nataony hoe : Mandehana, ka maminania” (Amosa 7:14-15). Notendrena izy hanambara ny tenin’i Jehovah amin’ny vahoakany. Matetika Andriamanitra no mifidy ireo mpanompony eo amin’ny olona tsotsotra.

Tantarain’ny Filazantsara antsika ny tantaran’i Zakaiosy, lehilahy manankarena sy nataon’ny olona tsinontsinona, satria namory hetra ho an’ny mpanjana-tany romana. Nefa te hahita an’i Jesosy izy. Nianika aviavim-bazaha izy, tsy niraharaha izay fomba ara-piarahamonina. Hoy Jesosy tamin’io olo-manan-kaja nianika teny ambony hazo io : „Ry Zakaiosy, midìna faingana, fa tsy maintsy mitoetra ao an-tranonao Aho anio”. Dia nidina haingana izy, ary nampiantrano an’i Jesosy tam-pifaliana (Lioka 19:5-6).

Ny aviavim-bazaha, ilay hazon’„ireo izay etỳ ambany”, dia nanjary kisarisarin’ny toeram-panetrentenan’ny kristiana eo anivon’ny olombelona. Mpianatr’i Kristy izy, niaina teo akaikin’ny ohatra arahiny, Izay „malemy fanahy sy tsy miavona am-po”.

Tsy maintsy namoy ny avonavony i Zakaiosy, ary azo antoka fa namoy ny endrika manokana maha mpitantan-draharaha azy, mba handre io teny mahafinaritra nataon’i Jesosy taminy io hoe : „Tsy maintsy mitoetra ao an-tranonao Aho anio”. Ndao hihaino io fanasana maika io, mba handray an’i Jesosy ao am-pontsika.