Zoma 26 Septambra 2025
(Hoy Jesosy :) Tiava ny fahavalonareo ; manaova soa amin’izay mankahala anareo ; misaora izay manozona anareo, ary mivavaha ho an’izay manisy ratsy anareo. Raha misy mamely ny takolakao anankiray, dia atolory azy koa ny anankiray. Lioka 6:27-29
Isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy. 1 Jaona 3:16
„Ny fitsipi-pitondrantena avo indrindra eto amin’izao tontolo izao dia ny an’ny Kristy”, hoy ny filôzôfa iray. Milaza ny tenany ho tsy afaka mahafantatra an’Andriamanitra izy, sady manaiky fa raha arahina ny fampianaran’i Jesosy, dia tsy hisy intsony na ady na fandringanana, tsy hisy halatra intsony, tsy hisy tsy fitoviana ara-piarahamonina intsony, tsy hila polisy na rafi-pitsarana intsony. Hiova tanteraka, noho izany, ny fiarahamonina.
Ny foto-kevitra manasitrana ny zanak’olombelona ve izany dia ho ilay tenin’i Jesosy hoe : „Araka izay tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa” (Lioka 6:31) ? Ampahatsahivin’ny andinin-tSoratra Masina antsika androany ny hakanto sy ny halehiben’ny fampianaran’i Jesosy. Tsy nilaza fotsiny izay tokony hatao Izy, fa nampihatra ihany koa io fampianarany io nandritra ny fiainany manontolo. Nasehony hoe afaka tonga hatraiza ny tena fitiavana. „Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy no nanolotra ny ainy hamonjy antsika ; ary isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy” (1 Jaona 3:16).
„Izy no nanolotra ny ainy hamonjy antsika”, io no zava-nitranga manasitrana ny zanak’olombelona. Ny fiainana lavorary niainan’i Jesosy dia nanameloka ny fiainan’ny mpiara-belona taminy, satria mifanohitra tamin’ny fiainan’izy ireo, ka noho izany dia notadiavina hovonoina Izy. Izy no Ilay Zanak’Andriamanitra, ary nanolotra ny ainy hamonjy ny mpanota, tamin’ny nisoloany toerana azy ireo, niaretany ny famaizan’Andriamanitra ny fahotan’izy ireo. Rehefa mandà tsy hatoky an’i Jesosy, dia toy ny hoe miray saina amin’ireo nanombo Azy teo amin’ny hazofijaliana. Izay olona mino Azy dia mahazo toetra vaovao voamarik’ireo toetran’Andriamanitra mihitsy. Antsoina io olona io „hianatra an’i Kristy”, mba handroso sy mba hampiseho eo amin’ny fiainany andavanandro ny atao hoe kristiana.