Alakamisy 25 Septambra 2025
Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny làlany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny ; ary aoka hiverina ho amin’i Jehovah ireny, fa hamindra fo aminy Izy, eny, ho amin’Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy. Isaia 55:7
Efa manjary lamaody ankehitriny ny mampidera tsy misy sakana ara-toe-panahy ny fiainana manokan’ny tena, eny amin’ny tambajotran-tserasera sy ny haino aman-jery. Ny zavatra tsy neken’ny fitsipi-pitondrantena ampahibemaso fahiny dia tsy vitan’ny hoe leferina ankehitriny, fa aseho ho fandrosoana, ao anatin’ny baranahiny iainan’ny fiarahamonina misy antsika.
Ny Baiboly dia miresaka fotoanandro nisiana vahoaka maro nandao izay rehetra mety ho fahatahorana an’Andriamanitra : „Ny fisehon’ny tarehiny miampanga azy ; ary mampiharihary ny fahotany tahaka an’i Sodoma izy, ka tsy manafina azy. Lozan’ny fanahiny ! fa mampidi-doza amin’ny tenany izy” (Isaia 3:9). Izany no mitranga amin’izay mikiribiby handeha amina lalana mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra.
Ny fahaverezan’ny masom-batana ara-toe-panahy dia avy amin’ny toetran’olombelona izay tia kokoa ny haizina noho ny mazava. Raha toa isika mandà an’Andriamanitra sy ny fampianarana omeny ao amin’ny Teniny, izany hoe ny Baiboly, dia manjary diso ny fieritreretantsika. Mampitandrina antsika rehetra Andriamanitra hoe : „Lozan’izay milaza ny ratsy ho tsara ary ny tsara ho ratsy !… Lozan’izay manao azy ho hendry sy manao azy ho mazava saina !” (Isaia 5:20-21). Ny lalana toy izany dia miafara amin’ny fikorontanana, ny fijaliana ary ny fitsaran’Andriamanitra.
Andriamanitra anefa tsy tia ny hijaliantsika, fa ny hahasambatra antsika. „Indro efa nataoko teo anoloanao androany ny fiainana sy ny soa ary ny fahafatesana sy ny loza… Koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao” (Deoteronomia 30:15, 19). Andriamanitra dia manolotra famelan-keloka ho an’izay mino an’i Jesosy Kristy. Noho izany ny mpino dia hitady hanao izay mahafaly Ilay nitia azy fatratra.