Alarobia 24 Septambra 2025
(Hoy Jesosy :) Midira amin’ny vavahady èty ianareo ; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny làlana izay mankany amin’ny fahaverezana, ka maro ny miditra any. Fa èty ny vavahady, ary tèry ny làlana izay mankany amin’ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy. Matio 7:13-14
Miova haingana kokoa hatrany izao tontolo izao. Mivadibadika ireo filamatra ara-kolontsaina, ara-piarahamonina na ara-pôlitika. Mihozongozona ireo rafitra toa tafapetraka tsara teo aloha, toy ny ankohonana. Miova arakaraka ny hevitry ny tsirairay sy ny fiarahamonina ireo soatoavina ara-toe-panahy. Aiza no hahitana soridalana ao anatin’izany fikorontanana izany ?
Ny mpaminany Jeremia dia nitaona ny vahoakan’Andriamanitra izay nania tany amin’izay nalehany avy, mba hametraka tsatòka manondro lalana : „Manangàna famantaran-dàlana ho anao ianao, manorena tsangam-bato ; saino tsara ny làlana efa voavoatra, dia ilay làlana efa nalehanao” (Jeremia 31:21). Azo lazaina hoe ny Baiboly no „GPS” nomen’Andriamanitra mba hitarika antsika eo amin’ny fiainana : „Fanazavana ny làlako ny teninao” (Salamo 119:105). Manavaka lalana roa samy hafa ny Baiboly, dia ny lalan’ny fankatoavana an’Andriamanitra (izay toa tèry), asainy arahintsika, sy ny lalan’ny sitrapontsika (izay toa malalaka sy mora aleha). Taomina isika hisafidy. Andriamanitra dia nametraka famantaran-dalana teo amin’io sampanan-dalana io, mba hampitandrina antsika amin’ny fomba hentitra. Malalaka isika, nefa tompon’andraikitra amin’ny safidy ataontsika. Ny lalan’ny fankatoavana dia mitondra mankany amin’ny fitahiana (izany hoe fahasambarana mandrakizay, miaraka amin’i Jesosy) ; ary ny lalan’ny sitrapontsika dia mitondra mankany amin’ny ozona (izany hoe fijalijaliana mandrakizay, lavitra an’Andriamanitra). Taomin’i Jesosy isika mba hiditra eo amin’ny vavahady ètin’ny finoana Azy sy ny fibebahana (andinin-tSoratra Masina androany). Izay mino Azy dia eo amin’ny lalan’ny fiainana. Mandraka ankehitriny ny Tompo dia mbola miteny amintsika hoe : „Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana” (Jaona 14:6). Soridalana sarobidy tokoa izany !