Talata 23 Septambra 2025

Mivavaha mandrakariva ao amin’ny Fanahy, amin’ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin’izany, amin’ny faharetana. Efesiana 6:18

Raha be ny ahiahy ato anatiko, dia mampifaly ny fanahiko ny fampiononanao. Salamo 94:19

 

Herin’ny vavaka

Maromaro izahay no niara-nisakafo tao amina efitra kely-na trano fisakafoana iray tany Azia afovoany. Namboraka taminay ny fotoan-tsarotra niainany i Chris, tovolahy 19 taona.

Tamin’ny taona voalohany nianarany teny amin’ny oniversite dia nosamborina i Chris ary nodarohana nandritra ny alina iray manontolo. Teny anelanelan’ny daroka no nahatakarany fa voampanga ho namono olona izy —heloka tsy nataony akory. Ny tena antony anefa, dia satria izy no tompon’andraikitry ny vondrona tanora kristiana iray.

Nodarohana tsy nitsahatra nandritra ny telo andro i Chris. Noho ny daroka dia tsy nahavita nivavaka izy, tsy nahatadidy andinin-tSoratra Masina tao amin’ny Baiboly akory aza. Nitomany tsy nijanona izy tamin’ireo andro voalohany. Ireo polisy nisambotra azy dia nilaza taminy fa tsy vitan’ny hoe nohadinoin’ny olona izy, fa ireo kristiana ihany koa dia nino hoe meloka izy…

Nony farany, mba hamotehana azy hatrany, dia nasaina tonga ny reniny. Saingy nahavita nampita hafatra mangingina taminy izy, hoe : „Hitanao, mivavaka ho anao ny olona… hatraiza hatraiza !” Toy ny vonjy aina taminy izany teny kely izany, nobitsibitsihina taminy avy ao amin’ny lafy ilan’ilay efitranokely nangadrana azy. Nahazo herimpo indray i Chris : tsy nohadinoina izy, mivavaka ho azy ny olona.

Nitohy ihany anefa ny herisetra… Herinandro iray na roa taorianan’izany dia nampita hafatra tamin’ny reniny ny polisy : „Lasa adala ny zanakao, ramatoa ! Mitsiky foana izy ! Tsy azonay ny antony”.

Nandritra ny iray volana io tovolahy vao 18 taona io dia nanohitra tamin’ny fomba hentitra ny polisy faran’izay mahery setra. Nony avy eo dia navotsotra izy.

Ndao hivavaka tsy tapaka ho an’ireo rahalahintsika voaenjika !

(araka an’i M. Varton)