Alatsinainy 22 Septambra 2025
Tsy fantatrao va fa manana fahefana handefa Anao aho, sady manana fahefana hanombo Anao amin’ny hazofijaliana koa ? Jesosy namaly azy (Pilato) hoe : Ianao tsy manana fahefana amiko akory, raha tsy nomena anao avy any ambony. Jaona 19:10-11
Ny fahefana
Manoloana an’i Pilato, governora romana, Jesosy, Izay notsiratsiraina, noratraina, vao avy niharan’ny fampijaliana tamin’ny kapoka karavasy, ny loha feno ra noho ny satroka tsilo, olona teo ampelatanany tanteraka, hoy ny eritreriny. Nohadihadiny indray Jesosy, nefa tsy namaly na kely aza. Sorena i Pilato ka nanindrahindra ny fahefany hoe mahavelona na mahafaty an’Ity voampanga. Dia nanambara taminy Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, fa Andriamanitra irery ihany no manana ny fahefana amin’ny olona rehetra, na mpigadra izy na governora. Nanohina mafy an’i Pilato io teny io, ary nanomboka teo izy dia nitady hamotsotra an’i Jesosy. Nefa nilefitra izy, noho ny antsoantson’ny vahoaka te hampanombo an’i Jesosy eo amin’ny hazofijaliana. Tamin’io fotoana io no nisiana hery iray hafa niasa, dia ny „herin’ny maizina” (Lioka 22:53). Ny olona, ary i Satana ao ambadika, dia naneho feno ny hasiahany tamin’Ilay Mpahary azy.
Aleo isika mitoky amin’ny Tompo Jesosy, Izay „manana fahefana eto ambonin’ny tany hamela heloka” (Matio 9:6). Manana fahefana ihany koa Izy hanolotra ny ainy sy haka izany indray (Jaona 10:18), mba hamonjeny antsika. Tsy afaka nanao na inona na inona tamin’izany i Pilato. Ary tamin’ny fahafatesany Jesosy dia nandresy an’i Satana, „ilay manana ny herin’ny fahafatesana” (Hebreo 2:14).
Tonga hamonjy ny olona Ianao, nefa dia nailik’izy ireo ;
Niseho niharihary teo ny maha izahay anay manontolo.
Notsiratsirain’izao tontolo izao Ianao, ry Tompo natao tsinontsinona,
Tao anatin’ny tebiteby lalina dia torotoro ny fonao.