Alahady 21 Septambra 2025

Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko ; ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina. Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko ; ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra, Izay mamela ny helokao rehetra… Salamo 103:1-3

 

Misaotra, ry Tompo

Misaotra, ry Tompo, noho ny hazavanao, Misaotra, noho ireo maraina rehetra mamiratra, Misaotra, mihaino ny vavaka ataoko, Misaotra, manohana ahy.

 

Misaotra, ry Tompo, noho ireo rahalahiko rehetra, Misaotra, nanome azy ireo. Misaotra, satria na mihasimba aza ny fitiavana, Dia te hamela heloka hatrany Ianao.

 

Misaotra, ry Tompo, noho izay rehetra mety ho fifaliana, Misaotra, noho ireo asa samihafa ataoko, Misaotra, satria rehefa mironjina tampoka aho, Dia raisinao an-tanana ireo entako.

 

Misaotra, ry Tompo, noho ny fahanterana, Misaotra, noho ireo zafikely, Misaotra, noho ny fampanantenanao rehetra, Misaotra, noho ny fikarakaranao tsy tapaka.

 

Misaotra, ry Tompo, noho ny teninao, Misaotra, satria mampianatra ahy amin’izany Ianao. Misaotra, satria izy no tondroavaratro, Mitari-dalana ahy.

 

Misaotra, ry Tompo, noho ny fanatrehanao, Misaotra, noho ny famonjenao lavorary, Misaotra, noho ireo fanomezana atolotrao Ho an’ny olom-boafidinao rehetra.

 

Misaotra, ry Tompo, noho ny herinao, Misaotra, nanome anay ny Fanahy. Misaotra, noho ny fitiavanao lehibe, Manaraka anay hatraiza hatraiza.