Asabotsy 20 Septambra 2025

Ny marina hamololona tahaka ny rofia ; hisandrahaka tahaka ny sedera any Libanona izy ; efa nambolena tao an-tranon’i Jehovah izy, ka maniry eo an-kianjan’Andriamanitsika ; mbola manorobona ihany izy, na dia efa antitra aza ; dofodofotra sy maitso izy. Salamo 92:12-14

 

Ny hazo ao amin’ny Baiboly (5)

Ny hazo rofia

Ny mampiavaka ny hazo rofia dia ny fakany marobe mitambatra ho amboara samy mitroka ny rano any amin’ny lalina, ary mamelona ny hazo manontolo. Ny hazo rofia dia kisarisarin’ny olona mpino, ambaran’Andriamanitra hoe marina, misotro amin’ny Tenin’Andriamanitra, ka mitondra voa mandritra ny fiainany, na dia amin’ny fotoanan’ny maina andro sy amin’ny fotoanan’ny fitsapana aza (Salamo 1).

Any an-tafinefitra dia ahitana hazo rofia eny amin’ny toerana misy rano. Ary ny fisian’ireo dia mampahafantatra ny mpandeha lavitra fa ho afaka hiala hetaheta izy. Toy izany koa, ny fiainan’ny kristiana iray, ho an’ireo namany eo am-pikarohana fiainana ara-panahy, dia tokony ho famantarana manondro ny toerana misy ny ranon’ny aina, izay hita rehefa mino an’i Jesosy.

Ao amin’ny Baiboly, ny hazo rofia dia ampifandraisina ihany koa amin’ny fifaliana sy ny fandresena. Mandritra ny iray amin’ireo fety isantaona ataony, ny vahoaka jiosy dia asaina manangana trano amina rantsan-kazo rofia ary miravoravo, mahatsiaro ny fivezivezeny tany an-taniefitra (Levitikosy 23:39-43). Antom-pifaliana izany, rehefa mandinika ny fiainantsika lasa isika, ary mahita ny mariky ny fahamoram-panahin’Andriamanitra.

Nefa ny fifaliana dia miboiboika ihany koa rehefa heverina ny hoavy. Io no fifalian’ny fanantenana. Rehefa nandray an’i Jesosy niditra tany Jerosalema ny vahoaka ravoravo marobe, dia nanao izany tamina fihobiana sy fanofahofana sampan-drofia (Jaona 12:13).

Io fifaliana asehon’ny hazo rofia io dia mifamatotra amin’ny fahatsiarovana ny hamoram-panahin’Andriamanitra tany aloha, amin’ny asa mahasoa entin’ny Teniny ankehitriny, ary amin’ny fahatsinjovana ny hiverenany am-boninahitra, hameno fifaliana mandrakizay ireo rehetra nino.