Zoma 19 Septambra 2025

Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara. Matio 7:18

(Hoy Jesosy :) Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy. Jaona 15:5

 

Ny hazo sy ny voany

Mety ho tsara tarehy ny hazo iray, nefa raha ratsy ny voany, dia satria ratsy io hazo io. Natao hitovy endrika amin’Andriamanitra ny olombelona, ary mitahiry ny marik’izany niaviany izany : fiandrianana, fahalalahan-tanana, herimpo, fandavantena… Nefa matetika ireny toetra tsara ireny dia manafina faniriana hoheverin’ny olona hoe tsara ny tena. Ary inona moa ny vokatra ateraky ny fiarahamonina iainantsika ankehitriny ? Mitombo isa ireo izay milentika ao anatin’ny fahantrana, nefa tsy misy fetrany intsony ny fananan’ireo tena mpanankarena. Mbola misy maty mosary eto amin’ity planetantsika ity, izay afaka mamelona malalaka ny zanak’olombelona manontolo anefa. Amin’ny ankapobeny dia ratsy ny voa, satria izany ratsy ny hazo (ny toetran’ny olombelona). Hay hatao ve ny manarina ho tsara ny fiasan’ny toetran’ny olombelona ?

Hoy Andriamanitra amin’ny olona rehetra tsy ankanavaka : „Samy nania avokoa izy rehetra, samy tsy mahasoa avokoa izy rehetra ; tsy misy izay manao ny tsara, na dia iray akory aza” (Romana 3:12).

Ny hany fanafana dia fanoloana taova hampita aina vaovao, toetra vaovao. Hoy Jesosy : „Tsy maintsy hateraka indray ianareo” (Jaona 3:7). Io aina io dia omeny ireo rehetra manaiky ny didim-pitsaran’Andriamanitra momba azy ireo, hoe : ratsy ny hazo… ary mino koa fa Jesosy efa nanolotra ny ainy ho azy ireo. Hoy hatrany Izy amin’ireo izay nandray io aina io : „Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy ; fa raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona”. Jesosy no hazo tsara tokony hifikirantsika amin’ny fontsika manontolo. „Tomoera amiko, ary Izaho aminareo” (Jaona 15:5, 4).