Alakamisy 18 Septambra 2025

Aza mananatra ny mpaniratsira ianao, fandrao halany ; ny hendry no anaro, dia ho tiany ianao. Toroy ny hendry, dia hihahendry izy ; ampianaro ny marina, dia hitombo saina izy. Ohabolana 9:8-9

Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena. Salamo 111:10

 

Ahoana no hanekena fanomezan-tsiny

Asehon’ny andinin-tSoratra Masina androany fa tsy raisina tsara mandrakariva tsy akory raha mananatra olona iray, izany hoe manome tsiny azy…

Eo, aloha, ny mpaniratsira, izay tsy manaiky ny fanomezan-tsiny. Ao amin’ny Baiboly, ny mpaniratsira dia olona mirehareha, manambanimbany, mandeha amin’ny hatezerana sy avonavona (Ohabolana 21:24). „Tsy tian’ny mpaniratsira izay mananatra azy, ary tsy mety manatona ny hendry izy” (Ohabolana 15:12). Mety hamaly amina fankahalana mihitsy aza izy. Mifanohitra amin’izany, ny hendry dia mahafantatra fa tsy lavorary izy, ary maniry hivoatra. Hisaotra izay mananatra azy mihitsy aza izy, satria izany no hahafahany mitombo ao amin’ny fiainana kristiana. „Aoka ny marina hamely ahy amin’ny fahalemem-panahy ka hananatra ahy, fa diloilo ahosotra ny lohako izany” (Salamo 141:5). Mianatra manitsy ny tenany izy amin’izany, mba hanahafany bebe kokoa an’i Jesosy Kristy, môdelin’ny hamoram-po, faharetana, fanetrentena.

Ndao hametraka an-kitsimpo ny fanontaniana hoe : ahoana no fihetsitsika rehefa omena tsiny ? Avy amin’ny ray aman-drenintsika. Avy amin’ny vady. Avy amina rahalahy na anabavy ao amin’ny finoana, sns. Isika ve mba ampy fanetrentena ka hihaino ilay fananarana, handray tsara izany eo anatrehan’Andriamanitra, ary hanova ny fitondrantenatsika rehefa avy eo, raha ilaina izany ? Sa lavintsika ilay izy ? satria hoe tsy ara-drariny, satria koa heverintsika fa tsy misy na inona na inona tokony horaisintsika avy amin’io olona nananatra antsika io. Sa mihevitra tsotra fotsiny izao isika fa manana ny rariny ? Ary rehefa isika no tsy maintsy mananatra ara-drariny olona iray, manao izany an-kalemempanahy sy am-pitiavana ve isika ? rehefa avy nangataka an’Andriamanitra hanome antsika fahendrena mba hanaovana izany.